• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahafatesan'ny vehivavy eo am-piterahana : Tsy fahampian'ny mpitsabo, halaviran-dalana, ody gasy...

13/11/2023 19:13 © Moov.Mg

Vehivavy 10 isan'andro eto Madagasikara no mbola mamoy ny ainy eo am-piterahana. Zatovovavy tsy ampy taona ny 3 amin'ireo. Isan'ny mbola ahitana trangana fahafatesana renim-pianakaviana maro ny ao Mahajanga II, araka ny fanazavan-dRasazy Damo Hanitriniaina Venice Sarah.

Fandraisana an-tanana tsy zarizary

Miteraka 5 ny vehivavy malagasy, amin'ny ankapobeny, kanefa eo amin’ny vohoka fahaefatra dia ambony ny taha mety hitrangan’ny fahasarotam-piterahana. Etsy an-daniny, mbola tena maro ihany koa ireo zatovovavy tsy ampy taona dia efa mitondra vohoka. Ankoatra izay dia isan'ny antony maha-tsy zarizary ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mitoe-jaza sy miteraka ny tsy fahampian'ny mpitsabo sy ny mpampivelona, indrindra any Ambanivohitra. Eto amintsika mantsy, mpampivelona 2.5 no miahy olona 10.000. Raha ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambqna misahana ny Fahasalamana (OMS) anefa dia infirmiera sy mpampivelona ary dokotera 4.45 isa no tokony hisahana olona 1 000.

Misy teraka an-dalana

Any Mahajanga II, izay distrika iasan-dRasazy Damo Hanitriniaina Venice Sarah, dia mbola miampy hafa ireo karazan'olana ireo. Lehibe indrindra amin'izany ny halavitry ny toeram-pitsaboana. Ny elanelan'ny tanàna sasany amin'ny tobim-pitsaboana fototra (CSB II) dia misy lalana atao adin'ny 4 an-tongotra na mihoatra aza. Tsy misy rahateo ny fitaovam-pitaterana, ankoatra ny sarety, ka misy amin'ireo vehivavy no teraka an-dalana, vokatry ny fitontotontonana, araka ny fitantaran-drasazy. Misy moa no misafidy ny hiteraka amin'ny renin-jaza ao an-tanàna ihany, noho izany. Samy antony mety hahatonga fahafatesan'ny reny eo am-piterahana avokoa ireo. Izay mba manam-bola kely no afaka miteraka amin'ny mpampivdlonq tsy miankina. Tranga anankiray mahavalalanina ny fahaverezan-dra be loatra eo amin'ny reny avy teraka, noho ny antony tsy hay hazavaina. Heverina hatreto, fa ilay karazana ody ratsy atao hoe : "lafika", hoy Rasazy Sarah, no mitarika izany ary antony hafa, mitarika ny famoizana ny vehivavy eo am-piterahana ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires