• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ambassade De Chine À Madagascar
Image
Vaovao

Oniversiten'Antananarivo : Nizara vatsim-pianarana ny Masoivoho Sinoa

13/11/2023 16:05 © Moov.Mg

Andron'ny kolontsaina sinoa ny 11 novambra lasa teo. Nomarihana tamin'ny fizarana vatsim-pianarana sy fampahafantarana ny kolontsaina sinoa izany, teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo.

Ny andron'ny kolontsaina Sinoa dia mikendry ny hanolotra ho an'ny vondrom-piarahamonin'ny anjerimanontolo ny kolontsaina nentim-paharazana Sinoa amin'ny alalan'ny lafin-javatra isan-karazany toy ny sorakaliana, sary hosodoko saron-tava amin'ny opera, sary hosodoko amin’ny fikopaka Sinoa, lanonan'ny dite, boky ara-kolontsaina, mampiasa hazokely fitaovana fisakafoanana sinoa, fanandramana sakafo sinoa.
Sokajy efatra ny mari-pankasitrahana no natolotry ny masoivoho sinoa androany, dia ny “Lokan’ny fandraisana anjara miavaka amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sinoa”, “Lokan’ny Fampianarana ambony”, “Iraka avy amin’ny teny sy ny kolontsaina sinoa” ary ny “Fizarana vatsimpianarana Sinoa”. Olona 121 no nahazo loka tamin’io fotoana io.
Nanatrika ny lanonana Andriamatoa ZHANG Wei, Chargé d’affaires a.i. ao amin’ny Masoivohon’i Chine.

Lire la suite

Articles Similaires