• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © U.S. Agency For International Development
Image
Vaovao

Ady amin'ny tazomoka : Mahomby ny famendrahana IRS

13/11/2023 14:44 © Moov.Mg

Isan'ireo aretina 5 mbola mahafaty olona betsaka indrindra eran-tany ny tazomoka. Na somary efa nahitam-pihenany aza ny isan'ny olona voany eto Madagasikara, dia mbola azo lazaina ho mandripaka ihany izy any amin'ny faritra maro. Isan-karazany anefa ny fomba azo entina miady amin'ity aretina ity no sady tsotra sy mora tanterahina ihany koa.

Tetikasa tohanan'ny amerikanina

Ny fampiasana lay misy odimoka no fomba isan'ny mahomby indrindra isorohana ny aretina tazomoka. Ilaina ihany koa ny manala ny lobolobo sy manadio ny toerana rehetra mety hiafenana sy hanatodizan'ny moka mpitondra ny aretina. Ankoatra izay dia tena ilaina ny famonoana ny moka, izay ifantohan'ny tetikasa PMI Evolve, tohanan’ny Vinan’ny Filoha Amerikana amin’ny Ady amin’ny Tazomoka (PMI). Antsoina hoe : "𝗜𝗻𝗱𝗼𝗼𝗿 𝗥𝗲𝘀𝗶𝗱𝘂𝗮𝗹 𝗦𝗽𝗿𝗮𝘆𝗶𝗻𝗴" (𝗜𝗥𝗦) ny asa atao amin'izany, izany hoe : fanondrahana fanafody famonoana moka, amin’ny rindrina ao anatin'ny trano. Izany no natao dia mba hifehezana ny moka mamindra tazomoka. Efa voaporofo ity paikady ity fa tena mandaitra amin’ny fifehezana ny fiparitahan’ny tazomoka.

Hita amin'ny Faritra 19

Nahatratra 543 994 isa ny trangana tazomoka teto Madagasikara tamin'ny taona 2022, raha ny tatitry ny Sapan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). 68 no maty vokatr’izany, araka io tatitra io hatrany. Faritra 19 eto Madagasikara no tena ahitana trangana tazomoka. Rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao no tena mampirongatra azy, fa hita mandavan-taona anefa ny aretina. Tsara ny mahalala fa misitraka famatsiam-bola mitentina 125 710 028 dôlara amerikanina avy amin’ny Tahirim-bola Maneran-tany (Fonds Mondial) ny firenena Malagasy, hampiasaina amin’ny taona 2024 hatramin’ny 2026, hidiana amin'ny aretina tazomoka, SIDA ary tiberkilaozy. Trano maherin'ny 5 tapitrisa kosa teto amintsika no efa nisitraka ireo hetsika famendrahana IRS, vokatry ny fanohanan'ny PMI, hatramin'ny taona 2008.

Lire la suite

Articles Similaires