• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Adihevitra eo amin'ireo kandida 3 : Rajoelina vs Randrianasoloniaiko vs Raderanirina

13/11/2023 14:36 © Moov.Mg

Andry Rajoelina, Siteny Randrianasoloniaiko ary Sendrison Daniela Raderanirina no heverina fa kandida vonona hiroso amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ny alakamisy ho avy izao.

Androany hariva amin'ny 7 ora no hiatrika ny adihevitra natokana ho an'ireo kandida ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina, Siteny Randrianasoloniaiko ary Sendrison Daniela Raderanirina. Izy telo mirahalahy moa no nanatanteraka fampielezan-kevitra, ka azo lazaina fa miomana amin'ny fifidianana hatry ny ela. Eny amin'ny foiben'ny CENI no ho tanterahina ny fandaharana, ka ho alefa mivantana amin'ny TVM sy ny RNM izany.

Fandaharan'asa

Heverina fa anisan'ny fanohizana ny fampielezan-kevitra ny fahazoan'ireo kandida miakatra ny haino aman-jerim-pirenena. Azo antoka mantsy fa ho liana amin'ny fandaharana avokoa ny vahoaka Malagasy manerana ny nosy, na iza na iza no kandida tohanany.
Raha izay fotoana nirosoana tamin'ny fampielezan-kevitra izay no asiana jery todika, ny kandida Andry Rajoelina no nahatety faritra sy toerana betsaka indrindra. Samy nanatanteraka fitetezam-paritra araka izay tratrany kosa i Daniela Raderanirina sy i Siteny Randrianasoloniaiko.

Andry Rajoelina, n°3

Nihazo ny avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana sady tsy nanadino ny teto afovoan-tany i Andry Rajoelina, nanomboka tamin'ny 10 oktobra lasa teo. Fotoam-bavaka teny amin'ny Akamasoa no nanombohany izany. Maro dia maro tokoa ireo toerana noteteziny sy ny ankohonany, na ireo heverina fa toerana be olona na ireo somary any anativolo : Ambatondrazaka, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Soanierana Ivongo, Sambava, Bealanana, Beloha, Antsirabe, Taolagnaro, Amboasary, Mananjary, sns. Omaly 12 novambra dia teto Antananarivo no nanatanterahana ny fampielezan-kevitra faradoboka.
Teny filamatry ny kandida Andry Rajoelina moa ny hoe "Tsy maintsy mandroso i Madagasikara", ka ny fanohizana ireo asa rehetra efa natomboka no tena imasoany, raha mbola ho atolotry ny vahoaka azy indray ny fahefana. Ireto avy àry ireo vina napetrany :
-Ady amin'ny tsy fandiampahalemana
-Famatsiana angovo sy rano ho an'ny rehetra
-Ady amin'ny kolikoly
-Fitsarana tsy mitanila
-Fanatsarana ny fanabeazana sy ny kolontsaina, ary ny lafiny ara-pahasalamana
-Famoronana asa sy fampiroboroboana ny fandraharahana
-Fampivoarana ny lafiny ara-indostria

Daniela Raderanirina, n°11

Andro vitsy taorian'ny fanombohan'ny propagandy dia niroso tamin'izany ihany koa ny kandida Daniela Raderanirina, avy amin'ny Antoko politika Fy-M. Tany Ambositra no tena hetsika niavaka notanterahiny. Somary nangingina izy tany amin'ny faritra hafa, eny fa na teto afovoan-tany aza.
Hita teny amin'ny tambazotran-tserasera kosa nefa ireo vina fampandrosoana ho an'ny firenena, miendrika "Trano Gasy", amin'ny maha-mpandraharaha ny kandida :
-FOTOTRA : Roa taona handresena ny fahantrana lalina.
-RIHANA : Fokonolona sy avara-pianarana ary Fanjakana miara-miasa ho antoky ny fampandrosoana.
-TAFO : Fokonolona masimandidy, fahefana tsy mivangongo eo amin'ny foibe.

Siteny Randrianasoloniaiko, n°13

Ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko dia niara-dia tamin'ireo "Collectif des candidats", ka ny 22 oktobra vao niroso tamin'ny fampielezan-kevitra. Nanana ny fandaharam-potoanany manokana izy ka ireo toerana tena be olona no notsidihany : Antsirabe, Ambositra, Fandriana, Imady, Morondava, Maroantsetra, Ambatondrazaka, Toamasina, Antsirabe, Antananarivo, Manandriana, sns. Anisan'ny naverimberiny tamin'ireo fitsidiham-paritra ireo fa ny "décentralisation" na fitsinjaram-pahefana no vahaolana fototra hampandrosoana ny firenena.
Ireto kosa ny vina fanampiny izay ho ataony vaindohan-draharaha raha lany filoham-pirenena izy, ao anatin'ny Dina Ezaka Ametrahana Lova (DEAL) :
-Fiandrianam-pirenena
-Fanavaozana ara-tsosialy
-Fanajariana ny tany sy fotodrafitrasa
-Fanavaozana ara-toekarena

Lire la suite

Articles Similaires