• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 6 hatramin'ny 12 novambra 2023

13/11/2023 06:08 © Moov.Mg

Atolotra anao ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro lasa iny, dia ny 6 hatramin'ny 12 novambra 2023.

Koa satria andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fifidianana filoham-pirenena, ny raharaha politika no tena mafana eto amin'ny firenena. Misy hatrany kosa nefa ireo vaovao mikasika ny toe-karena, sosialy, koltoraly sy fanatanjahan-tena.

Andry Rajoelina : Nanao propagandy faradoboka teto Antananarivo

Niloko loranjy tanteraka ny Coliseum Antsonjombe ny tolakandron'ny Alahady 12 novambra. Tamin'izany fotoana izany no nanatanterahan'ny kandida Andry Rajoelina ny fampielezan-kevitra farany teto Antananarivo, rehefa avy nihazo an'i Fenoarivo Atsinanana sy Toamasina ny tenany. Eto an-toerana avokoa ny ankohonany manotrona azy. Nambaran'ny kandida fa vonona ny tenany hiatrika ny fifidianana, hifanandrina amin'ireo mpifaninana aminy.

Antenimierampirenena : Foiben'ny fanelanelanana

Nanamafy ny maha-mpanelanelana azy ny Antenimierampirenena, amin'ny alalan'ny filohany, Christine Razanamahasoa. Nitsangana ny vovonana mpanelanelana mba hikatsahana ny filaminana sy ny fahamarinana eto amin'ny firenena. Nampiantso ny FFKM sy ireo ankolafinkery maro i Christine Razanamahasoa, ka nisy tokoa ireo namaly ny antso. Namoaka fanambarana ny tenany, fa "tsy tombombana ireo fepetra hanatanterahana ny fifidianana".

Fifidianana : Misy mitaky fanemorana

Ny zoma 10 novambra lasa teo no nanatanteraka fivoriambe ireo mpanelanelana sy ireo antoko politika/ fikambanana, teny Tsimbazaza. Ny filohan'ny Antenimierampirenena hatrany no nanatanteraka ny fampiantsoana sy ny fanatanterahana ny hetsika. Tapaka tamin'izany fa tokony hahemotra ny fifidianana. Tsanga-tanana moa no nandaniana izany hevitra izany. Marihana fa anisann'ireo nivory teny Tsimbazaza ny filohan'ny FFKM, ireo kandida 10, ireo solontenan'ny firaisamonim-pirenena sy ireo raiamandreny ara-drazana.

Governemanta : Mandà ny fanemorana ny fidifianana

Tsy ela fa ora vitsy taorian'ny fanambarana ofisialy fa "mila ahemotra ny fifidianana" dia namoaka lahatsoratra ofisialy ny governemanta. Nambara tamin'izany fa tokony hanaja ny lalam-panorenana na olon-tsotra na mpanao politika. Nohamafisina ihany koa fa tsy maintsy ho tanterahina ny fifidianana, izay amin'ny 17 novambra ny fihodinana voalohany. Mitohy araka izany ireo fikarakarana faramparany tontosain'ny CENI.

Christine Razanamahasoa : Tsy mpikambana TGV intsony

Noho ny fitarihany "fikomiana" ny amin'ny tsy hanatanterahana ny fifidianana, namoaka fanambarana ny antoko TGV fa tsy mpikambana ao aminy intsony i Christine Razanamahasoa. Nesorina tsy ho anisan'ireo mpanohana an'i Andry Rajoelina araka izany ny tenany. Tsy mbola naneho ny heviny moa ny voakasika.
Amin'ny antoko TGV, IRD sy ny UPAR, tsy misy antony manokana tokony hanemorana ny fifidianana.

Evekan'i Madagasikara : Manohana ny hanatanterahana ny fifidianana

Maro tokoa ireo vondrona naneho ny heviny mikasika ny fifidianana filoham-pirenena eto Madadagasikara. Na dia miray hina amin'ireo ankolafin-kery namaly ny antson'ny Antenimierampirenena aza ny filohan'ny FFKM, nijoro tamin'ny heviny manokana ny avy ao amin'ny fiangonana Katolika. Nanambara ireo Eveka fa tsy misy sakana ny fanatanterahana ny fifidianana, amin'ny 16 novambra ho avy izao. Azo antoka fa dingana lehibe hilaminan'ny firenena ny fanehoan'ny vahoaka ny safidiny.

Nicolas Rabemananjara : Filoha mpisolo toerana eo anivon'ny Sénat

Notanterahina teny amin’ny Lapan'ny Antenimierandoholona Anosikely ny famindram-pitantanana teo amin'ny filohan'ny Antenimierandoholona ny Jeneraly Ravalomanana Richard sy i Nicolas Rabemananjara, mpisolo toerana. Ity farany araka izany no misahana ny fitantanan-draharaha ankapobeny eo anivon'ny Antenimierandoholona, nanomboka ny alatsinainy 6 novambra lasa teo. Nilaza ho vonona ny hihaino sy hifampiresaka amin'ny mpiasan'ny Antenimierandoholona ny filoha mpisolo toerana amin'ny fotoana ilana izany.

Jean Jacques Ratsietison : Tapak'andro ihany no nitazomana azy

Anisan'ny vaovao nanamarika ny herinandro lasa iny ny fisamborana kandida ho filoham-pirenena nandritra ny hetsika fotsy. Nosamborin'ireo mpitandro ny filaminana teny Analakely mantsy i Jean Jacques Ratsietison. Tapak'andro ihany nefa no nitazomana azy teny amin'ny sampan'ny zandary manao fikarohana momba ny heloka bevava eny Fiadanana. Nolazainy tamin'ireo mpanao gazety fa famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana sy fanonganam-panjakana ary fampiasana herisetra ny vesatra niampangana azy.

Raharaha politika : Mijoro ny Groupe Nationale de Médiation

Mijoro ny vondrom-pirenena mpanelanelana Groupe Nationale de Médiation (GNM), izay ahitana ireo tompon'andraikitra ambony teo aloha, teto amin'ny firenena, toy ny Praiminisitra Kolo Roger, Minisitry ny Fitsarana Johnny Richard Andriamahefarivo, ny Filohan'ny CENI teo aloha Hery Rakotomanana. Hikaondoha, sady hijery izay mety ho vahaolana hitondrana filaminana manoloana ny rivotra politika ankehitriny, miaraka amin'ny hery velona rehetra izy ireo.

Baolina kitra : Fifanintsanana amin'ny Coupe du Monde 2026

Andro sisa no isaina dia hiatrika ny lalao fifanintsanana (éliminatoires) amin'ny Coupe du Monde 2026 ny Barean'i Madagasikara. Miroso ny fiomanana rehetra. Ao anatin'izany indrindra dia nanolotra baolina ho an'ny ekipa nasionaly BAREA ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra Randriamanampisoa Alfred. Tamin'ny herinandro lasa teo dia tao amin'ny Stade Alarobia no nanatanterahan'ireo mpilalao ny fanazaran-tena.

Letchi : Hanomboka tsy ho ela ny taom-piotazana

Efa manomboka tazana eny an-tsena ny letchi tamin'iny herinandro iny. Mbola tsy nisokatra nefa ny taom-piotazana. Ho an'ny faritra Atsinanana manokana, ny herinandron'ny 20 novambra no heverina fa hanomboka ny fiotazana izany voankazo izany. Antenaina fa hanafaingana ny fiandohan'ny fiotazana ny filatsahan'ny orana matetika. Ny 17 novambra ho avy izao dia efa hisokatra ny "guichet unique" hahafahan'ireo mpamokatra mikarakara taratasy ara-dalàna.

Toamasina : Efa azo tsidihana i Miami

Vita tanteraka ny tapany Avaratra misy ireo kioska coquillage, ny toerana hanaovana fanatanjahan-tena sy ireo toerana mahafinaritra samihafa misy jirojiro sy rano amin'ny alina. Nosokafana ny asabotsy lasa teo ihany hoa ny ny esplanade lehibe mirefy 15 000 m2 fandraisana ireo hetsika maro samihafa. Tany Toamasina, nanatanteraka ny fampielezan-kevitra faradoboka, ny kandida Andry Rajoelina tamin'ny fotoam-panokafana, sady tompon'ny tetikasa rahateo. Andalam-pamaranana ny village restauration ahitana ireo box 150 mafy orina misy resto, bar, snack, karaoke natokana hoan’ireo mpivarotra teny amin ny bar à sachet taloha.

Famatsian-drano : Nandatsaka orana artifisialy ny JIRAMA

Ny sahan-driaka Andekaleka, Tsiazompaniry, Mantasoa ary Ikopa no nanatanterahana izany fandatsahan’orana izany, ny 9 novambra sy 10 novambra lasa teo. Nokendrena manokana ireo toerana ireo, noho izy ireo misy ny tohodrano sy ny milina famokarana herinaratry ny Jirama. Vokatra andrasana, aorian'izao hetsika fandatsahana orana izao, ny hiakaran'ny haavon'ireo tohodrano mpamokatra herinaratra, mba hahafahana mampitombo ny vokatra ary hahafahana mifehy ny fahatapatapahan-jiro sy rano eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo.

Hiragasy : Ho lasa harem-bakoka eo anivon'ny UNESCO

Miroso tsikelikely ny fampidirana ny Hiragasy ho ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Amin’ny volana desambra ho avy izao no horaisina ny fanapahan-kevitra mikasika izany. Tamin’ny volana aprily taona 2022 moa no nametrahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny antontan-taratasy momba ny hiragasy, teo anivon’ny UNESCO

Lire la suite

Articles Similaires