• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Office Du Tourisme De L'Est
Image
Vaovao

Fiotazana Letchi : Hisokatra ny "Guichet unique" ao amin'ny Faritra Atsinanana

12/11/2023 06:40 © Moov.Mg

Hisokatra ny 17 Novambra ho avy izao ny "Guichet Unique" ho an'ny Faritra Atsinanana. Ampanarahina lalàna avokoa ireo mpamokatra, mpivarotra eto an-toerana sy mpanondrana ny vokatra.

Ny herinandron'ny 20 novambra no vinavinaina hanombohan'ny fiotazana letchi any amin'ny Faritra Atsinanana. Ireo mpamokatra sy mpanara-maso no hamoaka daty ofisialy, arakaraka ny fahamasahan'ny vokatra. Manafaingana ny fisokafan'ny taom-piotazana ihany koa ny filatsahan'ny orana. Mialoha izany nefa, ny zoma 17 novambra, dia efa hisokatra ny "guichet unique".
Ahitana ny INSTAT, ny sampandraharahan'ny hetra ary ny Kaominina ambonivohitr'i Toamasina izany rafitra izany, mba hanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy ho an'ireo mpanangom-bokatra sy ny mpitatitra.
Tsy azo lavina fa misy ireo mpamokatra efa mivarotra ny vokatra. Efa nahitana letchi mantsy teto Antananarivo tamin'ny herinandro lasa teo. Misy mivarotra 3 000 hatramin'ny 7 000 ariary ny kilao.

Lire la suite

Articles Similaires