• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsarahonenana : Ramatoa hikoizana amin’ny bizina rongony, nadoboka am-ponja

11/11/2023 06:56 © Midi Madagasikara

Efa mpamerin-keloka ity vehivavy ity ary mbola izay bizina rongony izay hatrany no efa nampiditra am-ponja azy.

Ny alakamisy lasa teo dia mbola tra-tehaky ny pôlisy indray izany ramatoa izany, tetsy Tsarahonenana, tao amin’ny trano fonenany, niaraka tamin’ny rangahy iray, teo am-pivarotana rongony mihitsy. Tamin’ny alalan’ny « loharam-baovao no nahafantaran’ny mpitandro ny filaminana ny fisian’olona mivarotra rongony eny amin’iny faritra iny. Tsy niandry ela moa izy ireo fa nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanaraha-maso. Vokany, tra-tehaka tao amin‘ilay trano voalaza teo am-pamarotana rongony izy roa » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena.

Marihana fa tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia tsy mbola nahitàna rongony efa vita fono, niisa enina tao amin’izy ireo, niaraka tamin’ny rongony rarany milanja 100g. Nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny pôlisy moa izy anankiroa ireto, ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires