• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rp
Image
Vaovao

Loholona IRD : Manameloka ny fikasana hanemotra ny fifidianana

10/11/2023 20:35 © Moov.Mg

Niteraka resabe ny mikasika ny fifidianana filoham-pirenena 2023 eto Madagasikara. Mizarazara ny hevitr'ireo mpanao politika sy ireo vondrona isan-karazany eto amin'ny firenena.

Androany zoma 10 novambra dia tapaka teny amin'ny Antenimierampirenena fa tokony hahemotra ny fifidianana filoham-pirenena, izany hoe tsy tontosaina amin'ny 16 novambra ho avy izao. Manoloana izany indrindra, nanao fanambarana tetsy amin’ny lapa maitso Anosikely ireo loholona maro an'isa miisa 14. Araka ny fanambarana nataon'izy ireo dia “Manameloka ny fanaovana fihetsiketsehana amboletra, sady tsy manara-dalana hitadiavana rà mandriaka sy korontana eto amin'ny firenena. Ary, miantso ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka hitodika tanteraka any amin'ny fifidianana, ary ho tonga hanatanteraka ny zony sy handatsam-bato amin'ny 16 Novambra izao ny Antenimierandoholona”. Nitondra teny tamin'izany moa ny filohan'ny Antenimierandoholona mpisolo toerana Nicolas Rabemananjara. Raha fintinina izany ny fanambarana dia manamafy fa “tsy misy antony na inona na inona tsy hahatontosana ny fifidianana, araka ny tetiandro efa voafaritra”.

Lire la suite

Articles Similaires