• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Vovonana fifanakalozan-kevitra sy fanelanelanana : Mangataka ny hanemorana ny fifidianana

10/11/2023 20:08 © Moov.Mg

Tapaka androany, taorian’ny tsanga-tanana notanterahin’ireo mpandray anjara tamin’ilay fakan-kevitra notontosaina teny Tsimbazaza, fa ho angatahana ny hanemorana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay kasaina hotanterahina amin’ny alakamisy 16 novambra ho avy io.

Misokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra

Notanterahina androany, teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny fihaonambe fakan-kevitra karakarain’ny Vovonana fifanakalozan-kevitra sy fanelanelanana eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM). Nandray anjara tamin’izany ireo Kandida, ny mpikambana amin’ny antoko pôlitika isan-karazany, ny firaisamonim-pirenena… Nitarika ny fifanakalozan-kevitra ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina filohan’ny FFKM sy Christine Razanamahasoa, filohan’ny Antenimierampirenena. Isan’ny mandrafitra ity vovonana ity ihany koa ireo olona sasantsasany efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena, toa an’i Atallah Beatrice, Jean Max Rakotomamonjy, ny jeneraly Désiré Ramakavelo… Nametraka hatrany ny maha-mpanelanelana azy ireo moa ny mpikambana ao amin’ny vovonana ary nilaza fa tsy miandany amin’iza na iza, fa misokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra.

Mbola betsaka ny tokony hifanarahana

Ilaina ny fifanatonana sy fifampiresahana mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika, hoy i Christine Razanamahasoa, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony teo am-panokafana ny dinika. Fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra no tanjona ary mitaky fanovan-drafitra ny fanatrarana io tanjona io, hoy hatrany izy. Nisy ny tsanga-tanana natao, taorian’ny fifanakalozan-kevitra, ka niarahan’ny rehetra nandany tamin’izany ny amin’ny tokony hanemorana ny fifidianana. Mbola betsaka ny tsy tomombana sy ny tokony hifanarahana, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena. Tsy mety ny manao fifidianana anaty savorovoro sy tsy filaminana fa mampatahotra ny mety ho fiantraikan’izany. Hatolotra ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) io fehin-kevitra io, hodinihiny miaraka amin’ny governemanta. Ho ampahafantarina ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires