• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marianne
Image
Vaovao

Faharitan’ny sahan-driaka iasan’ny Jirama : Nirosoana ny fandatsahana orana artifisialy

10/11/2023 20:04 © Moov.Mg

Ny faharitan’ny loharano izay miteraka ny fihenan’ny fatran’ny rano mikoriana eny amin’ny loharano, no voalazan’ny orinasa Jirama fa antony mampikorontana ny famatsian-drano sy ny famokarana herinaratra tao ho ao. Mba ho vahaolana amin’izany dia niroso tamin’ny fandatsahana orana amin’ny fomba artifisialy ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro sy ny Jirama.

Feno ny fepetra rehetra

Ny sahan-driaka Andekaleka, Tsiazompaniry, Mantasoa ary Ikopa no nanatanterahana izany fandatsahan’orana izany, omaly 9 novambra sy androany 10 novambra. Nokendrena manokana ireo toerana ireo, noho izy ireo misy ny tohodrano sy ny milina famokarana herinaratry ny Jirama. Vory ny fepetra rehetra, ka nahafahana nanatanteraka izany nandritra izay andro roa izay. Tafiditra tao anatin’izany fepetra izany ny fisian’ny karazana rahona atao hoe : « cumuliforme », izay manana endrika miavoavo. Ny fiforonan’izy io no isan’ny ahazoana antoka fa hiteraka vokatra tsara. Rehefa mafana sady mando, toy ny rehefa vanim-potoana fahavaratra toy izao ny andro, dia ny sira no singa ampiasaina amin’ny fandatsahana orana, hoy ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Miara-miady amin’ny hain-tany

Niaraka tamin’ny fampahafantarana ity asa fandatsahana orana ity dia nisy ihany koa ny fanentanana nataon’ny Sampana mpamantatra ny toetry ny andro, ny amin’ny tokony hikajian’ny tsirairay ny tontolo iainana. Ny fikorontanan’ny toetry ny andro mantsy no isan’ny antony mahatonga ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, araka ny fanazavana. Samy tomponandraikitra daholo ny rehetra, araka izany, amin’ny fikajiana ny natiora, hiadiana amin’ny hain-tany sy ny faharitan’ny rano. Vokatra andrasana, aorian'izao hetsika fandatsahana orana izao, ny hiakaran'ny haavon'ireo tohodrano mpamokatra herinaratra, mba hahafahana mampitombo ny vokatra ary hahafahana mifehy ny fahatapatapahan-jiro sy rano eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires