• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un Summit
Image
Vaovao

Fifaninanana « Voices for nature » : Hanentanana ireo kandida hanana vina matotra ho an’ny tontolo iainana

10/11/2023 10:18 © Moov.Mg

Tsy azo ihodivirana ny fanana vina manome lanja ny tontolo iainana, ho an’ireo mpitondra maneran-tany, noho ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Hiatrika ny fifidianana izay ho filoham-pirenena i Madagasikara amin’io herinandro ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Isan’ny andrasana amin’ireo kandida ihany koa ny fananana vina matotra mampiroborobo ny tontolo miaina eto Madagasikara. Mifandraika amin’izany indrindra ny fifaninanana haitaky karakarain’ny COJEAA.

Horonan-tsary fohy

Nisokatra nanomboka ny 8 novambra lasa teo ity fifaninana haitaky ity, izay nampitondraina ny anarana hoe : « Voices for nature » (feon’ny natiora). Ny Collectif des OSCs des Jeunes Engagés Atsimo Andrefana (COJEAA) no mikarakara azy ary tohanan’ny Fondation Tany Meva, ny Alliance Voahary Gasy, ny Transparency International Initiative Madagascar, ny WWF Madagascar ary ny Fikambanana ho an'ny Faritra Arovana sy ny Tontolo Manan'aina eto Madagasikara (FAPBM). Horonantsary misy feo no sady misy feon-kira lafika, maharitra 3 hatramin’ny 5 minitra, no ifaninanana amin’izany. Afaka mandray anjara avokoa ireo tanora malagasy 18 hatramin’ny 35 taona. Amin’ny teny malagasy ofisialy na fitenim-paritra no anatontosana ny horonan-tsary. Amin’ny 30 novambra 2023 amin’ny 12 ora alina no fara-fandraisana ny horonan-tsarin’ny mpifaninana.

Lohahevitra telo

Mifantoka amina lohahevitra telo, izay isafidianana, ny fifaninanana, dia ny momba ny fiarovana ireo biby dia sy hazo sarobidy arovana mampiavaka an’i Madagasikara ; ny teti-bola ho an’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ny fanampiana ireo mpianala amin’ny taona 2024 ; ary ny momba ny fampiasam-bola ho an’ny foto-drafitrasa ara-tsosialy ho an’ny vondron’olona ifotony manodidina ny faritra arovana. Tanjon’ity fifaninanana ity ny hanomezana sehatra ho an’ireo tanora amin’ny fanentanana ireo mpanapa-kevitra, amin'ny alalan'ny fanehoana ny maha-zava-dehibe ny zava-mananaina ho an'ny toekarena ifotony, isam-paritra ary nasionaly.

Lire la suite

Articles Similaires