• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Hiragasy : Ho lasa harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO

09/11/2023 19:21 © Moov.Mg

Miroso tsikelikely ny fampidirana ny Hiragasy ho ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Amin’ny volana desambra ho avy izao no horaisina ny fanapahan-kevitra mikasika izany.

Miandry fanambarana ofisialy

Tamin’ny volana aprily taona 2022 no nametrahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny antontan-taratasy momba ny hiragasy, teo anivon’ny UNESCO. Amin’izao fotoana izao dia efa misy ny tolo-kevitra nomen’ny komity mpanao sivana eo anivon’ny UNESCO, ny mba hankatoavan’ny komity iraisan’ny Governemantan’ireo firenena mpikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy fiarovana ireo harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, ny hampidirana ny hiragasy ho ao anatin’ny lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. Izy io no komity fara-tampony mpandray fanapahan-kevitra momba izany. Hanatanteraka fivoriana any Kasane, Botswana io komity io ny hatramin’ny 9 desambra 2023, ka mandritra izany no iandrasana ny fanapahan-kevitra sy ny fanambarana ofisialy ny maha-harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO ny hiragasy.

Tantara tsangana an-kira

Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina no nipoiran’ny hiragasy, araka ny tantara. Ho famporisihana ireo olona an’arivony nanitatra ny faritra azo ambolena, izay niteraka ny lemak’i Betsimitatatra, dia nandefa mpikabary sy mpihira ary mpandihy, mba hampiala voly azy ireo ny mpanjaka. Nivoatra tsikelikely ny fomba fisehony nanomboka teo. Ankehitriny, ny hiragasy dia fitambaran'ny feon-javamaneno sy hira ary dihy, izay mampiavaka ny kolontsain'ny faritra afovoan-tany, indrindra ny Merina. Toy ny karazana tantara tsangana izy, fa atao an-kira. Matetika dia mitafy malabary miloko mena sy mipataloha ny lehilahy mpanao hiragasy. Ny vehivavy kosa mitafy lamba sy akanjo miloko marevaka. Aorian’ny fanambarana ofisialy, izay andrasana ho amin’ny volana desambra ho avy io, dia ny hiragasy no kolontsaina malagasy tafiditra ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO, taorian’ny kabary.

Lire la suite

Articles Similaires