• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Herinandro mialoha ny fifidianana : Vonona tanteraka ny CENI, hoy ny filohany

09/11/2023 19:16 © Moov.Mg

Tsy misy ny olana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), fa efa vonona tanteraka ity rafitra ity ny amin’ny fanatontosana ny fifidianana amin’ny herinandro ho avy io, raha ny nambaran’ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo androany.

Voatazona ny datim-pifidianana

Hatreto aloha, raha ny ofisialy, dia mbola voatazona ho amin’ny alakamisy 16 novambra ny datim-pifidianana, taorian’ny fanemorana herinandro, azon’ny Vondron’ny Kandida, rehefa nisy ny fangatahana napetrany teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Herinandro mialoha ny fifidianana, araka izany, dia nilaza ho vonona ny CENI. Maherin’ny 90%-n’ny kara-pifidianana no efa voazara, hoy i Dama Arsène Andrianarisedo. Ankoatra izay dia efa naparitaka avokoa ireo antontan-taratasy rehetra ilaina momba ny fifidianana, eny amin’ny distrika, kaominina sy ny fokontany manerana an’i Madagasikara. Etsy an-daniny anefa dia sesilany ireo karazana fanambarana fangatahana ny fanemorana ny fifidianana. Vao androany maraina izao no nisy fanambarana indray, niarahan’ny firaisamonim-pirenena, ny vondron’ny sendika sy ny mpianatry ny anjerimanontolo, izay mitaky ny fanafohanana ny fifidianana sy ny fampihaonana ireo kandida 13 ary ireo hery velona rehetra voakasik'izany.

Nahazo fampitaovana tamin’ny Japoney

Ny governemanta japoney manokana, dia manantena fa ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto amintsika dia malalaka, azo antoka, mangarahara ary tontosaina ao anaty fitoniana, araka ny voalazan’ny masoivohon’i Japana eto amintsika, Abe Koji. Nanolotra fampitaovana ho an’ny CENI ny governemanta japoney androany, dia môtô miisa 148 moto sy fiara tsy mataho-dalana miisa 10. Mitentina 4,5 miliara ariary izany fanampiana izany, izay hahafahan’ny CENI manamora ny asany, hoy ny filohan’ity rafitra ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanentanana ny olom-pirenena hanatanteraka ny adidiny sy hisitraka ny zony handatsa-bato ; ny fanabeazana ny olom-pirenena ; ny fikirakirana ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny ; ny fanangonana ireo voka-pifidianana any amin’ny ambaratongam-pifidianana samy hafa ary ny fanapariahana ireo fitaovana maro isan-karazany halefa any amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI, araka ny fanazavan’i Dama Arsène Andrianarisedo.

Lire la suite

Articles Similaires