• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Masalchi
Image
Vaovao

Marika « Baie Rose de Bongolava » : Miroso tsikelikely ny dingana fiarovana azy

09/11/2023 19:14 © Moov.Mg

Vokatra mampalaza ny Faritra Bongolava ny "baie rose", na ny dipoavatra mena. Isan'ny manana kalitao tsara indrindra isika eto Madagasikara. Miroso tsikelikely ao anatin’ny dingana firosoana mankany amin’ny fiarovana azy ankehitriny ny marika "Baie rose de Bongolava".

Mety amin’ny toe-tanin’i Bongolava

Tena mety amin’ny toe-tany eto Madagasikara, indrindra fa ny any amin’ny Faritra Bongolava izay betsaka mpamboly azy, ny "baie rose". Nahatratra 30 taonina ny vokatra dipoavatra mena tamin’ny taona 2022. Antananarivo sy Toamasina no toerana tena mpandray azy, ho an’ny eto an-toerana, ary Frantsa sy Sina kosa no firenena fanondranana azy, ho an’ny any ivelany. Arakaraky ny kalitaony ny vidin’ny iray kilao amin’ny dipoavatra mena. Raha ny fifanarahana ara-barotra nataon’ireo tantsaha mpamokatra sy ireo mpandraharaha mpividy ny vokatra, tamin’ny volana febroarin’ity taona ity, dia 34 900 Ar ny kilao amin’ny « grade 1 », 28 800 Ar ny « grade 2 » ary 7 500 Ar ny « grade 3 ». Ho an’ity taona ity moa dia nisokatra ny faran’ny volana febroary ny fotoam-piotazana ny dipoavatra mena ary nitohy hatramin’ny volana aogositra.

Miroso amin'ny sehatra mahamatianina

Voasokajy ho isan’ireo tsara kalitao indrindra ny "baie rose" vokatra avy any amin’ny Faritra Bongolava, raha eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Tsy maintsy miditra amin'ny sehatra mahamatianina hatrany, noho izany, mba ahafahan'ireo tantsaha misitraka ny tombontsoany sy hanomezan-danja ny vokatra, izay mampiavaka ny Faritra. Mbola voaporofo izany hatsaran’ny dipoavatra menan’i Bongolava izany, to anatin’ny famelabelarana ny vokatry ny fitiliana natao taminy, navoaka ny talata 07 novambra lasa teo. Dingana tsy maintsy irosoana ny fitiliana, mba hahatongavana any amin’ny fiarovana ny marika "Baie rose de Bongolava". Ny mba hamantarana ny singa mitondra otrik'aina ao aminy no antony anaovana izany fitiliana izany. Manohana izao dingana fiarovana ny “Baie rose de Bongolava” izao ny OMPI (Organisation Mondiale de la Propriété Intellectuelle) ao Génève-Suisse. Antenaina fa tsy ho ela dia ho voaaro eo amin'ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena ity vokatra malagasy ity.

Lire la suite

Articles Similaires