• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Voix Du Nord
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Hanatrika ny COP 28 ny Papa Ray Masina Fransoa

08/11/2023 20:56 © Moov.Mg

Ny fiangonana Katolika dia misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izay asa masina. Haneho izany ny Papa Ray Masina Fransoa, amin'ny fanatrehana ny COP 28, ny 30 novambra hatramin'ny 12 desambra ho avy izao.

Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa tao Antsahavola Son Excellence Mgr Tomasz Grysa, Nonce Apostolique eto Madagasikara, ny 7 novambra 2023 lasa teo. Nifantoka manokana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izay “tranobe iombonana” sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ny lahadinika nandritra izao fihaonana izao.
Nambaran’i SE Mgr Tomasz Grysa fa hiatrika ny fihaonambe mahakasika ny fiovan’ny toetrandro COP28 izay ho tanterahina any Dubaï ny Ray Masina Papa Fransoa hiombom-peo amin’ireo firenena rehetra amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro indrindra ireo firenana miatrika mivantana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro toa an’i Madagasikara.

Hanohy sy hanamafy ny fametrahana ny “diosezy maitso” maneraka ny Nosy ny fiangonana hanampy amin’ny fanamaintsoana an’i Madagasikara sy ho fiarovana ny rohi-piainana voajanahary.


Copyright Image : © MEDD

Lire la suite

Articles Similaires