• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fao
Image
Vaovao

Fiovaovan’ny toetry ny andro : miantraika amin’ny fiharian’ireo tantsaha

08/11/2023 20:36 © Moov.Mg

Isan’ireo misitraka ny tetikasa « Forest and Farm Facility » (FFF) ireo tantsaha any amin’ny Faritra Atsinanana. Ny Tetikasa FFF dia tan-tsoroka ho an'ireo fikambanana tantsaha amin'ny seha-pihariany, hahafahan’izy ireo miatrika ny fiovaovan'ny toetr'andro, amin'ny alalan'ny fanatsarana ny zava-misy eo an-toerana.

Fanarenana ny ala

Ny politika ankapoben’ny Fanjakana malagasy dia nametraka tanjona ny hamerenana velaran-tanin’ala 40 000 ha isan-taona. Fifanekena noraisin’i Madagasikara ihany koa io, ao anatin’ny AFR100, izay manana tanjona ny hamerina velaran-tany mirefy 100 tapitrisa ha, niharan’ny fahapotehana manerana an’i Afrika. Tafiditra ao anatin’ireo tanjona ireo indrindra ny FFF, izay tarihin’ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), iarahana amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Distrika telo ao amin’ny Faritra Atsinanana no isan’ny misitraka ity tetikasa ity, dia i Vatomandry, Mahanoro ary Antanambao Manampontsy. Nisy ny atrikasa notanterahina niaraka tamin’ireo tantsaha mpikambana any anaty rafitra, ka ireo tantsaha mivondrona ao amin’ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy (FEKRITAMA) sy ny « Coalition des Paysans de Madagascar » (CPM) no nisitraka izany.

Fitrandrahana maharitra

Voaresaka tao anatin’ity atrikasa ity ny fampahafantarana momba ny tetikasa, izay raha fehezina dia ny fifandraisan’ny famokarana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Misy fahasimbana ireo otrikarena ananantsika, noho ny fitrandrahana azy nandritra ny fotoana maharitra, hoy ny Dr Solo Noé René, Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana Faritra Atsinanana. Vokatr’izay dia simba ny ala sy ny nofon-tany. Voatohintohina vokatr’izany ny seha-pihariana, ka manelingelina ny fahatrarana ny tanjona ho amin’ny fanjariantsakafo izany. Mbola mamoaka entona manimba ny tontolo iainana mantsy ny fomba famokarana ataon’ny tantsaha amin’izao fotoana, ka mandray anjara amin’ny fampiakarana ny tahan’ny hafanana maneran-tany izany. Taorian’ny fampahafantarana dia nirosoana ny famariparitana ny drafitrasa sy ny fomba fiaraha-miasa eo amin’ireo tantsaha, mba hahatrarana ny tanjona iraisana, dia ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy miady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Araka ny fantatra dia haharitra herintaona izao dingana voalohan’ny tetikasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires