• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Tours
Image
Vaovao

Tatitry ny KMF/CNOE : Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra

08/11/2023 20:32 © Moov.Mg

Nitondra ny tatitry ny fanaraha-maso nataony, momba ny ny zotram-pifidianana sy ny raharaham-pirenena androany, ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Maromaro ireo niantefan’izany fanaraha-maso izany, toy ny antoko politika, ny mpanao politika, ny haino vaky jery, ny fiangonana…

Fifidianana eken’ny rehetra

Ho an’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, dia tsy feno ny fepetra ahafahana manatontosa fifidianana ho eken’ny rehetra. Efa tsy handraisan’ny rehetra anjara rahateo izany, satria efa tsy isan’ireo hanatanteraka ny fifidianana ny Vondron’ny Kandida, hoy ny Filoha nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, Robert Namearison. Etsy an-daniny, raha ny hitan’ity firaisamonim-pirenena ity dia mivangongo an-tanàn-dehibe ny fampielezan-kevitra, ka mijanona hatreo amin’ny renivohitry ny Distrika ihany. Ny tambajotra sosialy sy ny haino vaky jery no lasa mameno azy. Etsy an-kilany kosa, tery ny fahalalahana maneho hevitra, indrindra any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra, hoy Robert Namearison. Henjana kokoa ny fampiharana ny lalàna amin’ny fanehoan-kevitra, any amin’ny Faritra, raha ampitahaina amin’ny zava-misy eto Antananarivo.

Dahalo maro mirongo fiadiana

Raha toa ka variana amin’ny hetsika ataon’ny Vondron’ny Kandida sy ny hotakotaka manodidina izany ny eto an-drenivohitra, dia mirongatra kosa ny ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra, araka ny nambaran’ny Filoha nasionalin’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena. Nanome ohatra amin’ny zava-mitranga any amin’ny Faritra Menabe izy, izay tsy ny omby ihany no angalarin’ny dahalo, fa hatramin’ny vilia sy sotro koa aza. Misy olona entin’ireo dahalo manaraka azy, rehefa vita ny fanafihana ataony, ka izy ireny no ataony ampinga fiarovan-tena rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana manenjika. Manao andiany foana ireo jiolahy mandritra izany, ary mety mahatratra 60 na 80 isa, eny na dia hangalatra zavatra kely tsy lafo vidy akory aza. Mirongo fiadiana hatrany ihany koa izy ireo, nefa ny mpitandro ny filaminana manara-dia dia zara raha misy telo na efatra. Misy foana ny maty sy ny maratra, vokatr’izany, araka ny fitantaran’i Robert Namearison.

Hanara-maso ny fifidianana

Tsikaritry ny KMF/CNOE ihany koa fa maro amin’ireo didy aman-dalàna mbola manan-kery eto Madagasikara no efa lany andro, toy ireo milazalaza ny momba ny zon’ny olom-pirenena sy ny momba ny fivoriana an-kalamanjana. Lasa miteraka olana izany, ka mitaky ny hanavaozana izany lalàna izany ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Na eo aza ireo trangan-javatra miiba, izay mahatonga ity firaisamonim-pirenena ity hanana ahiahy momba ny fanatontosana ny fifidianana, dia milaza ny hanara-maso ny zotram-pifidianana ihany izy ireo, ka Distrika 75 isa no ho voakasik’izany.

Lire la suite

Articles Similaires