• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Usaid
Image
Vaovao

Fandrindram-piterahana : Mila fanentanana sy fampahafantarana ny lehilahy

08/11/2023 13:46 © Moov.Mg

Efa nahitam-pihatsarana ny taham-pampiasana fomba fandrindram-piterahana eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Efa mihoatra ny 50% mantsy izany ankehitriny, raha nanodidina ny 43% tany amin’ny taona 2018. Mbola olan’ny vehivavy anefa ny tsy famelan’ny lehilahy azy ireo hampiasa izany fomba fandrindram-piterahana izany, tranga izay hita saika manerana ny Nosy.

Miteraka maro loatra

Tsy mitsaha-miakatra ny isan’ny vehivavy tonga manatona ny tobim-pahasalamana fototra (CSB II) tao anatin’ny roa taona izao, hoy ny Rasazy tomponandraikitry ny CSB II iray any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Farafangana. Zatra miteraka maro, mihoatra ny folo mihitsy, ny vehivavy avy any amin’iny Faritra Atsimo Atsinana iny, saingy efa mahatsapa ny ankamaroany ankehitriny, fa lasa vesatra ho azy ireo ny fiterahana maro loatra, fa tsy harena intsony, satria zara raha velona. Etsy an-daniny anefa, mbola maro ihany koa ireo lehilahy no tsy mamela ny vadiny hampiasa fomba fandrindram-piterahana maoderina. Vokatr’izay dia lasa miafina ireo vehivavy no manatona ny tobim-pahasalamana, sao miteraka olana eo amin’ny tokantranony ny fanelanelanana vohoka tiany atao. Araka izany, tena mila fampahafantarana sy fanentanana bebe kokoa ny lehilahy malagasy, mba hahalalany ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana fanabeazana aizana.

Mahatonga herisetra ao an-tokantrano

Fa tsy any amin’ny tontolo ambanivohitra ihany no ahitana olana toy izany. Araka ny nambaran’ny dokotera mitantana CSB II iray, eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo Renivohitra, dia tena maro ny vehivavy no manatona ny tobim-pahasalamana, amin’ny fotoana tsy maha-eo an-tanàna ny vadiny. Heverin’ny lehilahy sasany, fa ny vehivavy manitsakitsaka tokantrano no mampiasa fomba fandrindram-piterahana maoderina, hoy izy, ka izay no mahatonga ny vehivavy matahotra milaza amin’ny vadiny fa mampiasa izany izy. Mba hisorohana ny olana, dia efa misy fifanarahana eo amin’ny mpitsabo sy ireo vehivavy tonga manao fanabeazana aizana, ka ajanona any amin’ny CSB II ny karine fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo vehivavy. Mety horovitin’ny vadiny mantsy izany, raha hitany, ary mety hiteraka herisetra eo anivon’ny tokantranony ihany koa.

Efa manentana ny mpitsabo

Raha ny nambaran’ity dokotera ity dia manodidina ny 100 isa isam-bolana ny vehivavy tonga miteraka ao amin’ny CSB tantanany. Latsaky ny 24 taona ny 30 hatramin’ny 45 taona amin’ireo. Ankizivavy, latsaky ny 18 taona kosa ny 5 na 6 amin’ireo. Mandritra ny fisafoana dia efa manentana azy ireo, indrindra ireo tsy ampy taona, ny amin’ny tokony hampiasana fomba fandrindram-piterahana ireo rasazy sy dokotera miasa ao amin’ny CSB II. Enim-bolana aorian’ny fiterahana dia amporisihina izy ireo hisafidy izay fomba fanabeazana aizana mety aminy. Miisa 550 ny olona tonga manatona ao an-toerana isam-bolana, momba izay fomba fandrindram-piterahana izay. Ny tsindrona no tena be mpampiasa, izay atao isaky ny telo volana. Antony isafidianan’ny maro azy, izy tsy mora adinoina no sady mora afenina ny vady saro-piaro ny fampiasana azy. Ny DIU kosa no vitsy mpampiasa kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires