• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mr
Image
Vaovao

Tranga mampitebiteby eto amin’ny firenena : Azo fehezina tsy hiantraika amin’ny fahasalaman’ny saina

08/11/2023 13:41 © Moov.Mg

Miteraka rarin-tsaina, tebiteby, tahotra sy fihetseham-po miiba isan-karazany ny krizy, amin’ny ankapobeny. Miaina izany indrindra ny Malagasy maro amin’izao herinandro mialohan’ny fifidianana izao. Saika isan’andro no isehoana tranga tsy mampitombin-tsaina, raha ny eto Antananarivo renivohitra. Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ara-tsaina izany.

Fipoahana etsy sy eroa

Vaovao nafana, hitan’ny mpampiasa tambajotra sosialy Facebook omaly alina alohan’ny natoriana, na androany maraina vao nifoha, ny trangana fipoahana niseho tao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan'Ambohijanahary. Araka ny vaovao niparitaka dia tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina tany ho any no nahenoana izany. Voalaza fa teo amin'ny kianja filalaovana Baskety no nitrangan’ny fipoahana ary namaky ny fitaratry ny fiara roa niantsona teo izany. Vao ny alatsinainy 6 novambra teo ihany koa no fantatra fa nisy baomba nipoaka teo akaikin'ny Victoria Plaza Antanimena. Santionany ihany ireo, fa eo koa, ohatra, ny tahotry ny ho tratran’ny entona mandatsa-dranomaso hanaparitahana fihetsikehana. Na ny mety ho fahatapahan-dalana aza, dia efa miteraka tebiteby sy rarin-tsaina, sao ho tara fotoana…

Miaina ny androany

Voajanahary ny fampisehoana fihetseham-po mifandraika amin’ny rarin-tsaina ary ilaina izany. Manimba ny fahasalaman’ny saina sy ny vatana kosa anefa, raha diso mitambesatra loatra. Raha ny torohevitry ny dokotera Kiady Rivo Razafindralambo, « interne qualifiant en psychiatrie », dia fomba azo entina mampitony, ny fifantohana amin’ny « anio sy ny eto ». Tsy alefa lavitra ny saina, hoy izy, fa vao mainka izany mitarika rarin-tsaina. Ny izao dieny izao no iainana. Henoina tsara, ohatra, ny rivotra miditra sy mivoaka amin’ny vatana. Zavatra kely mety ho heverina ho tsy misy dikany izany, hoy izy, fa manampy mampitony sy manatsara ny fahasalaman’ny saina. Raha toa moa ka tsy voatohitra ny fihetseham-po miiba dia azo atao ny manatona ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina, toy ny psikôlôgy na ny psikiatra. Afaka manoro teknika isan-karazany izy ireny, hitaizana ny fahasalaman’ny saina.

Lire la suite

Articles Similaires