• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Facebook : Mifanala-baràka ny olo-malaza

08/11/2023 09:29 © Midi Madagasikara

Artista, mpiasam-panjakana ambony teo aloha. Samy manana olana ara-pitiavana avokoa ireo ary lasa nanao horonan-tsarimihetsika mivantana mba hanaratsiana ny olon-tiany teo aloha avy.

Momba ilay artista, nilaza izy fa efa niaraka taminy ny vadin’ilay artista iray hafa izay namany akaiky ihany. Izany dia valin’ny fifamaliana teo amin’ny tambajotra sosialy facebook, teo amin’ny roa tonta. Dia samy nilaza fa efa samy nifangala-bady izany raha ny fahenoana ny fanehoan-kevitra mivantana izay tsy ela dia hitan’izao tontolo izao.

Sady mamo ilay artista no naneho ny tao am-pony. Samy nanana ny filazany ny olona ary tao no nieritreritra fa mety ho fialonana noho ny mety fahazoan’ilay « rafiny » volabe amin’ny fampielezan-kevitra. Ao koa no nilaza fa maharary kosa raha toa ka ny vady andefimandry no kitikitihina ary azo eritreretina tsara raha nisafoaka ilay artista ka nanala-baràka. Mbola mitohy ary arahin’ny besinimaro akaiky ity fifanotsanana izay olona an’hetsiny maro no manaraka mivantana. Fa tsy izay ihany, mbola hatramin’ny voalohan’ity herinandro ity koa no namoaka vidéo maneho hevitra momba ny vadiny taloha ny olom-panjakana ambony iray (teo aloha) tamin’ity fitondràna ity. Nohazavainy amin’ny antsipiriany ny momba ny vadiny minisitra vavy izay tena to-teny ao anaty fitondràna. Tonga hatramin’ny fanazavany fa efa nokasaina hovonoina in-telo misesy ilay rangahy avy amin’ny alàlan’ny fanapozinana sy fikasana hanapoaka trano amin’ny etona. Saingy tsy nahavoa azy izany, raha araka ny nambarany. Tonga hatramin’ny hoe nanary zanaka ilay ramatoa. Tsy norarahiany mihitsy ny fikarakaràna ireo zaza natsangan’izy mivady ary dia lasa niaka-peo ilay rangahy. Tonga any amin’ny raharaham-pitsaràna moa ny adin’izy ireo ary neken’ny tribonaly ny fangatahana fisaraham-panambadiana izay napetraky ny lehilahy.

Mivoaka eo amin’ny facebook avokoa ary mivantana ny raharahan-tokan-tranon’ny olo-malaza sy mpitondra ambony eto amin’ny firenena. Ary dia arahin’ny olona aman-tapitrisany izay tena tia tambajotra sosialy izany satria tena mahaliana azy ireo. Tsy honohono intsony fa ny olona voakasika mivantana no miteny. Lasa tanim-boanjon’ny adin’ny mpivady sy mpisipa ankehitriny ilay tambajotran-tserasera.

Lire la suite

Articles Similaires