• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actu7-7
Image
Vaovao

Olana mialoha ny fifidianana : nijoro ny Vondrom-pirenena mpanelanelana (GNM)

07/11/2023 19:36 © Moov.Mg

Tsy azo lavina intsony fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena malagasy, amin’izao herinandro mahery kely tsy hahatongavan’ny datim-pifidianana izao. Maro ireo vondron’olona mijoro, izay samy milaza ho vonona ny hitady vahaolana amin’izao zava-misy izao. Isan’izany ny GNM, izay nampahafantarina ny mpanao gazety androany, teny Ankadivato, ny fijoroany.

Tompon’andraiki-panjakana teo aloha

Ahitana tompon’andraiki-panjakana teo aloha maromaro ao anatin’ny Vondrom-pirenena mpanelanelana na GNM. Isan’izany i Hery Rakotomanana, filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana (CENI) teo aloha ; Kolo Roger, Praiminisitra teo aloha sy i Johnny Andriamahefarivo, minisitry ny Fitsarana teo aloha. Araka ny nambaran’izy ireo dia tsy mety ny mangina, manoloana ny olana diavin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Noho izany, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, dia hikaon-doha ireto tomponandraikitra teo aloha ireto, hijery izay rehetra mety ho vahaolana maharitra, hitondra filaminana eto amin’ny firenena. Vonona ny hifanolo-tanana miaraka amin’ny herivelona rehetra izy ireo, mba ho fanatanterahana izany.

Tombontsoa ambonin’ny firenena

Notsipihan’i Hery Rakotomanana, izay nitondra ny tenin’ny GNM, fa misokatra amin’ny adihevitra rehetra ny Vondrom-pirenena mpanelanelana, rehefa manaja ny fahitsiana, ny fahamarinana ary ny tsy fiandaniana izany, fa ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Ny 3 novambra lasa teo ihany koa moa, raha tsiahivina, no nitsangana ny vovonana iarahan'ny Antenimierampirenena, tarihin’ny filohany, Christine Razanamahasoa, miaraka amin’ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM). Tanjona ijoroan’izany ihany koa ny fiarahana mitady vahaolana maharitra, hahatongavana any amin’ny fifidianana eken'ny rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires