• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Reunionfr
Image
Vaovao

Vokatra letisia : Hisokatra ny 20 novambra ny fotoam-piotazana any amin’ny Faritra Atsinanana

07/11/2023 19:13 © Moov.Mg

Hisokatra amin’ny herinandron’ny 20 novambra izao ny fotoam-piotazana letisia ao amin’ny faritra Atsinanana ho an’ity taona ity.

Hatreto anefa dia mbola tsy mahafapo ny vokatra, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana.

Mbola kely ny letisia masaka

Tsy latsaky ny 15 000 taonina ny vokatra letisia naondran’i Madagasikara, tao Eoropa fotsiny, tao anatin’ny 3 taona farany, araka ny nambaran’ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana, Rafidison Richard Theodore. Misy firenena hafa ihany koa anefa efa manana fifanarahana ara-barotra amintsika, ka mandray ireo vokatra letisia avy aty Madagasikara. Isan’izany, ohatra i Mayotte sy i Dubaï. Ho an’ity taona ity dia mbola tsy fantatra aloha ny anjara vokatra azon’i Madagasikara aondrana, fa miankina betsaka amin’ny fifanarahana eo amin’ny mpanondrana sy ny mpividy any ivelany no ahafantarana izany, hoy ny Goverinora. Etsy an-daniny, mbola kely ihany ny letisia masaka any amin’ny faritra Atsinana ankehitriny ary madinika ihany koa ny voana letisia raha mitaha amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Roa herinandro eo ho eo anefa sisa dia hisokatra ny taom-piotazana letisia.

Fikajiana ny tontolo iainana

Raha ny nambaran’ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana dia ireo letisia maniry manakaiky ny moron-tsiraka no mety hahatratra ny fisokafan’ny taom-piotazana, satria ireo no efa masaka. Ireo maniry any amin’ny ati-tany kosa dia mbola tsy matoy, fa mety mila fotoana kely. Nanamarika Rafidison Richard Theodore, fa ny fiovaovan’ny toetry ny andro no mitarika fiantraikany ratsy amin’ny fihariana, tahaka izao. Nanararaotra izy, noho izany, nanentana ireo mponina any amin’ny Faritra Atsinanana, amin’ny fanajana ny tontolo iainana. Ny tsy fahampian’ny rotsak’orana mantsy no mahatara ny fiakaran’ny vokatra sy mahakely azy tahaka izao. Fomba iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro ny fikajiana ny tontolo iainana tsy ho simba ary miantoka ny fahatsaran’ny vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires