• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Vaovao

Hazandranomasina : Mila mailo amin’ny fihinanana azy, rehefa mafana ny andro

07/11/2023 14:52 © Moov.Mg

Fotoana tena tokony hitandremana ny vanim-potoana mafana toy izao, amin'ny fihinanana hazandranomasina. Misy karazana hazandrano mantsy, mety miteraka fanapoizinana ara-tsakafo, voasokajy ao anatin'ilay atao hoe : ICAM (Intoxication par Consommation d'Animaux Marins).

Lomotra miteraka poizina

Vao tamin'iny herinandro lasa iny no nisy zaza roa namoy ny ainy ary olona 30 hafa narary, noho ny fihinanana fano, na soka-dranomasina, tany amin'ny Fokontany Izegnitry, kaominina ambanivohitr'Andronovandronina any Antsiranana. Raha ny fanazavana avy amin’ny Tahiry Iraisam-pirenena ho An'ny Tontolo Iainana (WWF) dia fotoana mahabetsaka sy mampitombo ireo lomotra misy poizina, izay sakafo fihinan’ny fano, ny eo anelanelan’ny volana oktobra hatramin’ny volana martsa. Ireo karazana lomotra izay fihinan’ny fano amin’ny fahatanorany no voatahiry hatramin’ny fotoana mahalehibe azy, ka mampisy poizina ny nofony. Izany no mahatonga ny fihinanana soka-dranomasina ho mahafaty. Isan-taona anefa eto Madagasikara dia misy hatrany ireo olona voapoizina, noho ny fihinana azy ireny.

Hazandrano ao anatin’ny lisitra ICAM

Tsy ireo mponina any amoron-dranomasina, na ireo mpiala sasatra ihany, no tokony hitandrina amin’ny fihinanana hazandranomasina. Misy ihany koa mantsy ireo karazana hazandrano mihinana lomotra, ka mety hitera-doza raha hanina, indrindra amin’izao andro mafana izao, dia ireo tafiditra ao anatin’ny lisitra ICAM. Isan’izany ny antsantsa, ny besisika, ny karapapaka, ny lamatra, ny amalom-bato sns… Misy amin’izy ireny no aondrana aty afovoan-tany, ka zava-dehibe hatrany ny fahamailoana. Ilaina ny manaraka ny toro-marika omen'ny tompon'andraikitra isan-jokajiny, indrindra momba ny fisokafana sy fikatonan’ny fotoam-panjonoana, mba hisorohana ny fanapoizinana ny mpiara-belona. Momba ny fihinanana ny soka-dranomasina manokana dia tsy azo atao ny fihazana, ny famarotana sy ny fihinana azy ireny, noho izy ireo anisan’ny hazandrano efa ho lany tamingana. Voararan’ny lalàna 2005-018 tamin’ny 17 oktobra 2005, mahakasika ny varotra iraisam-pirenena momba ny karazam-biby sy zavamaniry (CITES) izany.

Lire la suite

Articles Similaires