• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Energie Plus Le Site
Image
Vaovao

Tetibola ho an’ny fitsaboana isan-tokantrano : ny Fanjakana no tokony hiantoka ny ampahany betsaka

06/11/2023 19:54 © Moov.Mg

Paikady ahafahana manatsara ny tolotra ara-pahasalamana ny fampihenana ny vola mihoa-pampana atokan’ny tokantrano ho an’ny fitsaboana. Ny Fanjakana, raha ny marina, no tokony hiantoka ny ampahany betsaka amin’ny fandaniana momba ny fahasalamam-bahoaka, araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS)

Mandany vola mihoapampana

Rehefa latsaky ny 10% amin’ny vola miditra amin’ny tokantrano ny vola ampiasainy ho an’ny fitsaboan-tena, ka ny Fanjakana no mameno azy, dia izay no ahafahana milaza fa tsy mihoa-pampana ny vola atokan’ny tokantrano ho an’ny fitsaboana, raha ny famaritan’ny OMS azy. Ny ankamaroan’ny governemanta aty Afrika anefa, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, dia tsy mamatsy ny 50%-n’ny tetibola manontolo atokana ho an’ny fahasalamana akory, fa ny fianakaviana tsirairay no miantoka izay hitsaboany tena sy ny ankohonany, amin’ny ampahany betsaka, na manontolo mihitsy. Mampiadana, na tsy mampihetsika ny fihatsaran’ny fahasalamana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny tranga toy izany. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola no mamatsy ny 70% hatramin’ny 80%-n’ny tetibolam-panjakana ho an’ny fahasalamana.

Nitombo ny fahelana velona

Efa mba nisy ihany anefa ny fihatsarana hita, satria raha ny tatitra navoakan’ny OMS tamin’ny taon-dasa, ohatra, dia efa mba nitombo 10 taona ny halavan’ny andro iainana amin’ny ankapobeny aty Afrika, teo anelanelan’ny taona 2000 hatramin’ny taona 2019. Raha toa ka 46 taona izany tany amin’ny taona 2000, dia 56 taona izany ankehitriny. Mandrisika hatrany ireo firenena aty Afrika mba hisoroka ny olana ara-bola, izay mety hampihemotra ny ezaka efa vita eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana moa ny OMS. Mamporisika ihany koa ny hitondrana fanavaozana eo amin’ny tolotra ara-pahasalamana, ka hampandraisina anjara ao anatin’izany ny vondron’olona ifotony sy ny sehatra tsy miankina. Tsy tokony atao ambanin-javatra, ankoatra izay, ny fametrahana fomba fanaraha-maso, mba ho hita avy hatrany ireo ambana mety hitranga eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny olana misy eo amin’ny rafitry ny fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires