• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Zaref
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Tombanana hiverina ny oram-baratra eto Analamanga, manomboka rahampitso

06/11/2023 15:29 © Moov.Mg

Mety hiverina ny oram-baratra ho an’Analamanga sy ny faritra afovoan-tany, amin’ny ankapobeny, manomboka rahampitso, raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Mety hisy faritra sasany eto afovoan-tany hisitraka orana sahady aza, androany tolakandro.

Hihamalefaka ny varatraza

Ahitana tandrifin-drahona mitsitokotoko amin’ny faritra sasany eto Analamanga, antony mahatonga ny andro malomaloka androany tontolon’ny andro. Mety hiteraka orana ihany koa izany, raha ny tomban’ny sampana mpamantata ny toetry ny andro, indrindra amin’ny alina. Manomboka rahampitso kosa no heverina fa tena mety hirotsaka be ny orana eto Antananarivo sy ny manodidina ary hiitatra tsikelikely mankany amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara izany, amin’ny andron’ny alarobia ho avy io. Hihamalaefaka kokoa mantsy ny varatraza, izay nandrafitra ny toetry ny andro nandritra iny faran’ny herinandro iny, ka manamora ny fiforonan’ny oram-baratra izany. Ahitana oram-baratra hatrany kosa any amin’ny ilany andrefan’i Madagasikara.

Hiakatra kely ny mari-pana

Naka tahaka volon’andro ririnina kely manerana ny Nosy nandritra ny roa andro, noho ny fisian’ny « anti-cyclone » tao amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Fa manomboka rahampitso kosa dia tombanana hiakatra tsikelikely ny mari-pana eto Analamanga, na tsy tena hisongadina be aza izany fiakarana izany. Raha nanodidina ny 23°C sy 24°C izy tao anatin’ny roa andro farany, dia vinavinaina hanodidina ny 16 °C hatramin’ny 26°C, amin’ny ankapobeny, ny eto Analamanga, manomboka rahampitso. Ny any Matsiatra Ambony no somary mbola ho latsaka kely izay mari-pana ambony indrindra izay, ka heverina fa hanodidina ny 23 °C izy rahampitso, raha 22°C izy, omaly. Any amin’ny faritr’i Boeny no tena ho ambony ny mari-pana, izay tombanana hahatratra hatrany amin’ny 38°C, raha ny vinanan’ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro ho avy.

Lire la suite

Articles Similaires