• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mandroso Randria
Image
Vaovao

Hotakotaka mialohan’ny fifidianana : misy mifofo ny ain’ny sasany amin’ireo kandida, hoy ny EMMO-NAT

06/11/2023 15:24 © Moov.Mg

Hanome mpiambina ireo Kandida tsirairay ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny EMMO-NAT, araka ny nambaran’izy ireo androany. Araka ny fantatra mantsy dia misy mifofo ny ain’ny sasany amin’izy ireo.

Homena mpitandro ny filaminana hiambina

Tao anatin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataony androany, teny amin’ny Toby Ratsimandrava, no nilazan’ireo mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny EMMO-NAT, fa misy mifofo ny ain’ny Kandida sasany, izay tsy notononin’izy ireo ny anarany na ny isany. Noho izany indrindra dia hisy mpitandro ny filaminana homena hiantoka ny fiarovana azy ireo tsirairay avy, mba samy hisitraka zo mitovy izy rehetra, araka ny fanambarana, ka ho voaambina araka ny tokony ho izy ny kandida tsirairay avy sy ny fianakaviany. Mbola hisy ny fifampiresahan’ny tomponandraikitra amin’ireo kandida 13, ka izy ireo ihany, araka ny fantatra, no hisafidy izay tiany hiambina azy.

Tsy nisy mpanao fihetsiketsehana maty

Ankoatra izay dia niverenan’ireo mpitandro ny filaminana noresahina ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy lasa teo, izay nitarika tamin’ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana miara-dia amin’ny Vondron’ireo Kandida, tamin’ny entona mandatsa-dranomaso. Nanamafy ireo ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny EMMO-NAT, fa tsy nampiasa fitaovam-piadiana mahafaty izy ireo, ka tsy marina ny filazana fa nisy ny namoy ny ainy tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny naratra no nisy, hoy izy ireo, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nilaza ihany koa ny EMMO-NAT fa azo atao ny manatona ny mpitandro ny filaminana, raha tojo tsy fahasalamana, toy ny fahasemporana, rehefa misy ny tranga tahaka ireny. Misy mpitsabo miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana, araka ny fantatra. Tsy mandray ireo mpitolona ho fahavalo rahateo ny mpitandro ny filaminana, raha ny nambaran’izy ireo, fa ny tena antom-pisian'izy ireo dia ho tombontsoan'ny besinimaro.

Lire la suite

Articles Similaires