• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Lehilahy malagasy tratra niaraka tamin’ny rongony 46 kg : voasazy higadra 2 taona any Mayotte

06/11/2023 10:14 © Moov.Mg

Lehilahy malagasy iray no voasazy higadra 2 taona an-tranomaizina, rehefa niakatra fitsarana tany Mamoudzou Mayotte, vokatry ny fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina. Ny zoma lasa teo izy no nandalo teo anoloan’ny fitsarana.

Nampiakarina tany Antsiranana

Rongony milanja 46 kilao no tratra tany amin’ity lehilahy 47 taona ity, izay tantsambo ao amina sambo frantsay mpanjono lamatra antsoina hoe : Drennec. Ny 28 ôktôbra no nahatraran’ny mpitandron’ny filaminana ao Mayotte azy. Nafeniny tao anaty daba fitoerana akora fanadiovana izany zava-mahadomelina izany. Ny alika mpitsongodia nampiasain’ireo mpitandro ny filaminana no nahafahana nanatratra azy, araka ny ango-baovao. Nisy kitapo iray sy siao iray no nampanahy, izay fantatra nandritra ny fitsarana, fa nampiasain’ilay tantsambo nampiakarana ireo rongony tao anatin’ny sambo. Nandritra ny fiantsonan’ity sambo mpanjono ity tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana, nanomboka tamin’ny 11 ôktôbra, no nitrangan’izany. Heverina fa nokasaina haondrana any Victoria Seychelles ireo rongony ireo.

Tantsambo hafahafa fihetsika

Araka ny fantatra dia efa nisy ny fisavana nataon’ny mpitandro ny filaminana malagasy, tao anatin’ity sambo ity, ny 14 ôktôbra, saingy niala maina izy ireo nandritra izany. Ora iray taorian’ny fisavana dia nahita rongony nilanja 6 kilao, tao anaty fanariam-pakon’ny lakozian’ilay sambo, ny vehivavy iray mpahandro sakafo. Nanomboka teo ihany koa no nahatsikaritra ny kapitenin’ny Drennec sy ireo tantsambo hafa, fa hafahafa fihetsika ity tantsambo malagasy ity. Isan’izany, ohatra, ny fangatahany daba isan-karazany sy matetika, izay tsy fantatra mazava ny antony ilany azy. Marihina moa fa izy ihany no malagasy mpiasan’ilay sambo, ary izy irery ihany koa no nidina an-tanety nandeha natory tany amin’ny fianakaviany. Ilay kapitenin-tsambo ihany no nampandre ny mpitandro ny filaminana, vokatr’izany ahiahy rehetra izany.
Ady amin’ny fanondranana rongony
Noho ity sambo ity mitondra ny sainam-pirenena frantsay, dia liana manokana amin’ity resaka fanondranana rongony an-tsokosoko ity ny fitsarana frantsay. Efa nandray an-tanana ny raharaha ny Fampanoavana ao Quimper (Avaratra Andrefan’i Frantsa), avy eo ny Fampanoavan’i La Réunion ary farany dia ny tao amin’ny tribonalin’i Mayotte no nitsara ny raharaha. Nivoaka tamin’izany ny didy, fa voasazy an-tranomaizina roa taona ilay lehilahy. Saika hampiatraka ny raharaha ny mpisolovava azy, saingy nanapa-kevitra ny hizaka ny saziny ilay lehilahy. Taorian’ity raharaha ity dia nilaza ny Fampanoavana ao Mayotte fa hihamafy ny ady amin’ny fanondranana rongony an-tsokosoko any an-toerana, noho i Mayotte tafiditra ao anatin’ny lalana falehan’ireo mpanao trafika aty amin’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina.

Lire la suite

Articles Similaires