• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 30 oktobra hatramin'ny 5 novambra

06/11/2023 06:11 © Moov.Mg

Moov Hebdo : Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandron'ny 30 oktobra hatramin'ny 5 novambra 2023

Mifantoka tanteraka amin'ny sehatra politika ny sain'ny mpanara-baovao. Mitohy hatrany mantsy ireo fitakiana ataon'ny Collectif des candidats, sady mihitatra any amin'ny faritra ny hetsika. Na eo aza izany, tsy adino ny vaovao sosialy sy ekonomika nanamarika ny herinandro.

Hetsika fotsy # Tsy tanteraka ny hetsika teny amin'ny 13 mai

Ireo "points de rassemblement" napetrak'ireo mpitarika no tena niantsonan'ireo mpitandro ny filaminana, ny sabotsy 4 novambra lasa teo. Nanaparitaka ireo rehetra nitangorongorona ny baomba mandatsa-dranomaso teny Behoririka, Antaninandro, Antanimena ambany sy Tsaralalàna. Nisy moa ny naratra, na ireo olon-tsotra na ireo mpanao gazety. Nihoatra ny 10 ireo voasambotra. Na teo aza izany, nanambara ny Collectif des candidats fa hanohy ny hetsika, ary hihazo ny kianjan'ny 13 mai, manomboka ny alatsinainy 6 novambra.

Andry Rajoelina # Manohy ny fampielezankevitra

Mitohy hatrany ny propagandy tanterahin'ny kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina. Nihazo ny faritra atsimon'ny Nosy izy : Ambovombe, Amboasary, Beloha, Taolagnaro, sns. Tao Antsirabe ihany koa ny tenany omaly. Velom-panantenana tanteraka ny kandida nahita ireo mpanotrona izay tsy tambo isaina hatrany. Nilaza ihany koa izy fa vonona tanteraka hiatrika ny fifidianana, na misy aza ireo manakorontana.

Antenimierampirenena # Fanelanelanana

Mipetraka ho mpanelanelana ny filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa. Araka ny nambarany dia efa maro ireo namaly ny antsony, dia ny Solontena maharitry ny Firenena Mikambana, ny masoivohon'ny Vondrona Afrikanina sy ny masoivohon'i Afrika Atsimo. Teo ihany koa ireo Filoham-piangonana roa ao amin’ny FFKM sy ny manam-boninahitra miisa 4 ary profesora akademisianina 2. Raha tsiahivina, efa nanao antso avo tamin'ireo Solombavambahoaka hipetraka ho mpanelanelana ihany koa i Christine Razanamahasoa.

Madagascar Airlines # Rinah Rakotomanga

Nametra-pialana tsy ho filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Madagascar Airlines intsony i Rinah Rakotomanga. Hijanona fotsiny ho mpikambana ao amin'ny Filankevitra ny tenany. I Mamy Tsifarizoa Rakotondraibe no mandray ny toerany.
Mikasika ny Madagascar Airlines ihany, nanambara ny kaompania omaly fa tsy hisy intsony ny sidina mankany ivelany. Foana araka izany ny zotra iraisam-pirenena.

Miarinarivo # Fizarana Titre sy Karatany

Karatany miisa 110 000 anjaran'Itasy, ka 40 000 amin'izany no nozaraina tao Miarinarivo. Nisy ny lanonana fanomezana izany, izay notarihin'ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, Holder Ramaholimasy, ny Solotenan’ny Minisitra mpiahy ny Faritra Itasy, ny Governora ny Faritra Itasy, sady notronin’ireo olom-panjakana voafidy sy voatendry tany an-toerana. Niisa 98 kosa ireo nahazo "titre"n'ny taniny.

Fifandraisandavitra # Misokatra ny Telma Shop Campus Galaxy Andraharo

Eny amin'ny Galaxy Andraharo moa no misy ny foiben'ny Telma Madagascar. Nosokafana ny zoma 3 novambra lasa teo ny Shop Telma eo anivon'ny Campus lehibe eny Andraharo. "Shop Digital" moa ity botika vaovao ity ka tsy ifanakalozana vola taratasy mihitsy. Ny TPE sy ny MVola no ampiasain'ireo mpanjifa ividianana tolotra sy fitaovana isan-karazany. Hita ao amin'izany Shop Telma vaovao izany avokoa ireo tolotra "Mobile sy Internet" rehetra. Ankoatra ireo finday vokarin'ny Telma, misy ihany koa ireo karazany tena avolenta (Samsung, Apple, Motorola, sns).

Miarinarivo Itasy # Mpihady volamena nihotsahan'ny tany

Mpihady volamena miisa valo maty tototry ny tany tao Ambohimangakely Fokontany Mahatsinjo, Kaominina Alatsinainikely, Distrika Miarinarivo Itasy, ny 02 novambra 2023 lasa teo. 60 taona ny lehibe indrindra, ary zazalahy vao 8 taona no kely indrindra, izay samy mponina avy eny amin'ny manodidina avokoa. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ny mpampiasa ireo olona namoy ny ainy ireo.

Kakao Malagasy # Tsara kalitao hatrany

Nandray anjara tamin'ny ”Salon International du Chocolat 2023” i Madagasikara. Tany Paris no nanatontosana izany hetsika izany, ny 28 oktobra hatramin’ny 01 novambra 2023 lasa teo. Afa-po ireo mpandraharaha malagasy nandray anjara satria maro ireo liana amin'ny sokola sy kakao vokarina eto Madagasikara, izay anisan'ireo tsara indrindra maneran-tany.

Lire la suite

Articles Similaires