• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anjozorobe : Fitolahy nanao fanamiana mpitandro filaminana naka an-keriny olona telo

05/11/2023 05:05 © Midi Madagasikara

Anjozorobe ; : Nahatratra hatrany amin’ny telopolo lahy tany ho any no tonga nanafika tao amin’ny tanan’Antsevakely Atsimo, ao amin’ny kaominina Ambohimarina Marovazaha

Saingy ny fitolahy tamin’izy ireo, izay nolazain’ireo mponina toa ati-dohan’izany fanafihana izany ary nitondra ireo olona telo mianaka, nalain’izy ireo an-keriny. Basy kalaky miisa telo no teny amin’izy ireo, niaraka tamin’ny Mass 36 iray. Izy fito ireto moa dia samy nisalotra fanampiana mpitandro filaminana avokoa, raha ny vaovao azo hatrany.

Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina tany ho any no tonga tao amin’io tanana io ireo andian-dahalo. Tokatrano telo no tena nataon’izy ireo lasibatra. Raha ny fampitam-baovao azy vola tamin’izany, izay fantatr’izy ireo hatramin’ny isany aza, no tena notakian’izy ireo tamin’ireo lasibatra » hoy ny fanazavana nentin’Atoa Randrianatehana Herilala, Ben’ny tananan’i kaominina Marovazaha.

Nanapoaka basy sy nanao tifi-danitra ary nitifitra ny varavaran’ny iray tamin’ireo tokantrano ireo no nataon’ireo olon-dratsy vao tonga izy ireo. Avy eo nasain’izy ireo nivoaka sy nipetraka teo an-tokontany avokoa ny olona rehetra. Nanam-potoana betsaka, hatrany amin’ny ora iray tany ho any mihitsy ireto dahalo tao anatin’izay, hoy hatrany ny vaovao azo avy any an-toerana. « Mbola nandeha nitady gony eran’ny tanana aza izy ireo, nentina nitondrana ireo vary fotsy sy ireo entana norobain’izy ireo tao an-tanana » raha ny fanazavana azo hatrany. Vita izay vao nandeha niala izy ireo, nitondra ireo olona telo : mpianaka roalahy ary vehivavy iray, nalain’izy ireo an-keriny.

Marihana fa tao anatin’ity fanafihana ity dia iray tamin’ireo fokonolona no naratra. Rangahy iray, vadin’ilay ramatoa lasa an-keriny, izay nozerain’ireo olon-dratsy ny vodi-basy. Ny iray tamin’ireo olon-dratsy ihany koa, raha ny angom-baovao azo hatrany dia naratra, vokatry ny tsindrona zava-maranitra, raha niezaka nanohitra azy ireo ny iray tamin’ireo lehilahy nentin’izy ireo an-keriny. Saingy nitsoaka niaraka tamin’ireo namany moa izany dahalo naratra izany.

« Vao sambany no nisy trangana fakàna an-keriny tahaka an’io teo amin’ny kaominina niadidiko » hoy ny Ben’ny tanana. Ity farany izay manao antso avo tanteraka amin’ireo fitondram-panjakana mahefa sy ireo mpitandro filaminana, mba hijery akaiky ny resaka tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra iny.

Taorian’io fotoana io ihany dia efa nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Tsy mbola nisy kosa aloha hatreto, fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny, raha ny fantatra hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires