• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mr
Image
Vaovao

Hetsika fotsy : Tsy tafiditra ny kianjan'ny 13 mai ireo mpitolona

04/11/2023 19:43 © Moov.Mg

Nody maina ireo mpitarika sy mpanara-dia ny hetsika fotsy androany. Teny amin'ireo "barrage" napetraky ny mpitandro ny filaminana manodidina an'Analakely mantsy dia efa tsy nisy tafiditra mihitsy.

Fiambenana hentitra

Notanterahin'ny mpitandro ny filaminana tokoa ny fiambenana hentitra an'Analakely sy ny manodidina, araka ny fanambarana efa nataon'izy ireo omaly. Tsy tontosa ny hetsika satria efa nisy barrage avokoa ireo lalana rehetra mitondra eny amin'ny 13 mai. Novonjen'ireo mpitandro ny filaminana ihany koa ireo "points de rassemblement", dia ny teny amin'ny Conforama Tsaralalàna, Jovena Antaninandro sy ny Shell Behoririka. Rehefa nanomboka nitangorona ireo mpitolona dia naparitaka tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso.
Nangina tanteraka ny teny Analakely satria na ny mpandeha an-tongotra aza dia tsy navela hivezivezy. Ny mpanambady nisoratra teo amin'ny firaisana voalohany izao dia ireo vavolombelona roa ihany no afaka nanotrona azy. Ho an'ireo avy any Antsakaviro sy Ambanidia, teo amin'ny "tunnel" no azo naleha farany.

Faharatrana

Mpanao gazety miisa telo no voalaza fa naratra teo Antaninandro, rehefa nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Nisy mihitsy aza moa ny simba fananana, izay fitaovana nampiasaina hangalana feo. Nisy ihany koa ny naratra teny Tsaralalàna sy teny Behoririka teny. Nanatanteraka fanambarana moa ny Collectif des candidats, noho ny fiahiahiana ny fampiasana "grenade". Tsy adino moa fa nisy ireo voasambotra.
Araka ny nambaran'ny kandida Hajo Andrianainarivelo, mbola hitohy ny hetsika amin'ny herinandro ho avy, ary mikasa ny hiditra eny amin'ny kianjan'ny 13 mai hatrany ireo mpitolona.

Lire la suite

Articles Similaires