• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Analakely : Hosavaina avokoa izay mitondra kitapo

04/11/2023 07:23 © Midi Madagasikara

Ny antony dia noho ny fisian’ny angom-baovao (renseignement) azon’ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny mety fisian’ny olona izay mitondra fitaovam-piadiana eny amin’ny 13 mai anio.

« Misy andian’olona mikasa ny hanipy grenady ‘offensive’ sy ‘défensive’ ary hanipy izay ao anatin’ny mpanao fihetsiketsehana », raha araka ny fanambaràn’ny Kolonely Randrianarimasy Radosoa, komandin’ny Cirgn eto Antananarivo izay nitondra teny ny Emmo, omaly tetsy Ambohitsorohitra. Izany dia taorian’ny fivoariana izay nataon’ny Emmo tamin’ny Filoham-pirenena mpisolo toerana sy ny mpikamban’ny governemanta sasantsasany.

Vokatr’izany tsilian-tsofina izany dia noraisin’ny lehiben’ny Emmo ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hisavàna ireo rehetra izay mitondra kitapo na sakaosy eny Analakely sy ny manodidina, rahampitso. Etsy andanin’izany dia mbola nanentana ny olona ny tsy hoavy amin’ny hetsika politika ihany izy ireo satria handray andraikitra avy hatrany raha vao misy ny fihoaram-pefy. Anio anefa raha araka ny fantatra dia samy hihetsika avokoa ny andaniny sy ny ankilany amin’ny kandidà ary hifanaretsaka ny eto amin’ny toerana izay holalovan’ireo mpomba azy ireo eto an-drenivohitra.

« Misy ny toerana azo aleha ary misy koa anefa ny voarara » raha araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Emmo ihany. Ho an’ny mpanara-baovao dia mety tena « hangotraka » anio eto Antananarivo, indrindra raha oharina tamin’ireny zava-nisy tao anatin’ny iray volana farany teo ireny. Isan’izany ny fisian’ny samy olona tsy mitovy firehana izay mikasi-tànana na koa ny fampiasàn’ny mpitandro ny filaminana hery tamin’ny tranga sasany.

Na izany aza aloha dia tsikaritra mba ho efa nilamindamina izany rehefa nandeha ny fotoana. Mbola ankamantatra indray ny anio.

Lire la suite

Articles Similaires