• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Il Vaso Di Pandoro
Image
Vaovao

Hetsika iraisam-pirenena momba ny sôkôla : Mbola be mpanjifa ny vokatra malagasy

04/11/2023 06:46 © Moov.Mg

Salon international du Chocolat 2023 : Mbola voatazon’i Madagasikara hatrany ny lazany, amin’ny fahatsaran’ny sôkôla sy kakao vokatra malagasy.

Tsy mena-mitaha amin’ireo avy any amin’ny firenen-kafa, izay niranty nandritra ny « Salon International du Chocolat 2023 », natao tany Paris Frantsa, ny 28 oktobra hatramin’ny 01 novambra lasa teo izany.

Kakaô tsara kalitao indrindra

Isan’ny nandray anjara tamin’ity ”Salon International du Chocolat 2023” ity ny Union des Coopératives Lazan 'i Sambirano (UCLS) avy any Ambanja sy ireo mpanondrana kakaô sy sôkôla malagasy hafa. Nilaza ho afa-po tamin’ny vokatra azo nandritra ny hetsika izy ireo. Maro mantsy ireo nanjifa ny sôkôla vokatra malagasy ary nisy mihitsy aza ireo mpanafatra no efa mikasa sahady ny hividy amin’ireo mpandraharaha malagasy. Araka izany, mbola voaporofo ny maha-kakaô tsara kalitao indrindra ny kakaô malagasy. Raha tsiahivina, ny 12 oktobra 2023 ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny kakao (ICCO) no namoaka tamin'ny fomba ofisialy ny lisitr'ireo firenena mamokatra ny kakao tsara kalitao indrindra (cacao fin) eran-tany. Nitana ny laharana voalohany tamin’izany i Madagasikara.

Mitondra tombontsoa ho an’ny tantsaha

Ambohipihaonan’ireo mpanondrana sy mpanafatra kakaô sy sôkôla eran’izao tontolo izao moa ity fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sôkôla ity. Nisy ny atrik’asa nampahafantarana ny kakao avy eto Madagasikara sy ny manodidina izany, ny tombontsoa azon’ireo tantsaha mpamokatra. Isan’ny tombontsoa goavana ny fiakaran’ny vidin’ny voan-kakao eny anivon’ny tantsaha, satria mihabetsaka ny filàna. Miezaka ihany koa ny mpanondrana mba ho ambony kokoa ny vidiny. Momba ny fanodinana ny kakaô, dia nisy ny fanoloran’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, milina ahafahana mitoto ny kakao ho lasa vovony ho an’Ambanja, tohana izay tafiditra ao anatin’ny Tetikasa ODOF, ny 25 oktobra lasa teo. Tanjona ny hampiroboroboana ny fanodinana ny kakaô sy hitazonana hatrany ny kalitao efa mampalaza antsika

Lire la suite

Articles Similaires