• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Image
Vaovao

CUA : Tsy azo anaovana hetsika politika ny eny Analakely

03/11/2023 23:54 © Moov.Mg

Tapaka nandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Filankevitra Monisipaly anio Zoma 03 Novambra 2023 tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely fa tsy azo hanaovana hetsika ara-politika intsony manoloana ny Lapan’ny Tanàna sy ny manodidina azy.

Anisan'ny naneho hevitra mikasika ny fikasana hidina eny amin'ny 13 mai ny kaominina Antananarivo. Araka ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filankevitra Monisipaly dia tsy azo atao ny manatanteraka hetsika politika manoloana ny Lapan'ny Tanana, izay antsoina hoe kianjan'ny 13 mai. Na misy aza ny fangatahana alalana dia tsy hahazo valiny mahafapo ny mpangataka. Izany no natao dia mba ho fitandroana ny filaminana sy ho fiarovana ny toerana tsy ho simba, indrindra amin'izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao.

Azo antoka araka izany fa ho voadidina mpitandro ny filaminana hatrany ny eny Analakely sy ny manodidina.

Lire la suite

Articles Similaires