• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Heritiana R
Image
Vaovao

Faritr’alan’ny orinasa Fanalamanga : Kitay menaka halatra 250 gony, saron’ny zandary

03/11/2023 16:46 © Moov.Mg

Miezaka mamongotra ireo mpitrandraka an-tsokosoko ny ala tantanany ny orinasam-panjakana Fanalamanga any amin’ny distrikan’i Moramanga. Nisy indray ny fahatrarana kitay menaka halatra tany an-toerana, noho ny hetsika nataon’ny tomponandraikitry ny orinasa niarahana tamin’ny zandarimariam-pirenena.

Hazo mbola tokony hitombo

Vao tsy ela akory izay no nisy ny fahatrarana saribao tsy ara-dalàna 4 000 gony sy kitay menaka 500 gony mahery, tao amin’ny faritr’alan’ny orinasa Fanalamanga. Tamin’ity indray mitoraka ity dia kitay menaka halatra azo avy amin’ny hazo kesika miisa 250 gony, no saron’ny tomponandraikitry ny orinasa Fanalamanga sy ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny « poste avancé » Bembary, tao amin’ny fokontany Ankodahoda. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny orinasa Fanalamanga dia hazo kely mbola maniry izy ireto no kapain’ireo olona. Araka izany, hazo tokony mbola hitombo ary tokony hahazoana hazo lehibe izy ireo no nopotehina. Azo sokajiana ho fandripahana ny ala mihitsy izany tranga izany.

Efa misy mpandray sy trano itobiana

Raha ny fanadihadiana nataon’ny zandarimariam-pirenena dia efa karazana tambajotra mihitsy ireto mpitrandraka kitay menaka halatra ireto. Taterin’ireo mpangalatra avy ao amin’ny faritr’alan’ny orinasa Fanalamanga mantsy ireto kitay menaka ary efa misy ny mpandray azy ao amin’ny tanàna manamorona iny lalam-pirenena faha-44 iny. Efa misy mihitsy koa ny trano fampitobiana ireo kitay menaka halatra. Nilaza moa ny tomponadraikitra avy ao amin’ity orinasam-panjakana miankina amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ity, fa tsy mipetra-potsiny ary tsy manaiky ny halatra atao ao amin’ny faritr’ala trandrahiny. Miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana eny ifotony ny orinasa, amin’ny fisamborana ny olon-dratsy. Efa natolotra ny fampanoavana ity raharaha ity, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary.

Lire la suite

Articles Similaires