• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tvplus
Image
Vaovao

Hetsika fotsy rahampitso : mahavoasazy an-tranomaizina sy lamandy, hoy ny minisitry ny Fitsarana

03/11/2023 16:42 © Moov.Mg

Tsy nahazoana alalana ny hetsika fidinana an-dalam-be, kasain’ny Vondron’ny Kandida hotanterahina rahampitso 4 novambra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, androany, tao anatin’ny valan-dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety. Fampahatsiahivana sy fanamafisana ny fanambarana efa nataon’ny Governemana hatramin’izay ihany izany, hoy izy.

Mila fahazoan-dalana mialoha

Notsiahivin’ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny Tombokasem-panjakana ny Didy hitsivolana laharana 60-082, tamin’ny 13 aogositra 1960, izay mamaritra sy mifehy ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika atao an-kalamanjana sy an-dalam-be. Ny andininy faha-8 amin’izany didy hitsivolana izany, hoy izy, dia milaza fa mila fahazoan-dalana mialoha ny fanantanterahana ny hetsika toy izany. Ambaran’ny andininy faha-11, fa ny tsy fahazoana alalana hanatanterahana hetsika an-dalambe, dia sokajiana ho heloka ary mety mahavoasazy 15 andro ka hatramin'ny 6 volana an-tranomaizina sy lamandy 1000 Ar ka hatramin'ny 100.000 Ar, raha toa ka mbola minia mandika izany lalàna izany.

Nolanian’ny filàn-kevitry ny tanàna

Etsy an-daniny, nanatontosa fivoriana tsy ara-potoana, androany maraina, ny Filàn-kevitry ny Tanànan’Antananarivo renivohitra. Ny momba ny fampiasana ny kianjan’ny 13 mey indrindra, izay voakasik’izany ihany koa ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna (parvis), no vontoatin-dresaka tamin’izany. Niteraka adihevitra be teo amin’izy ireo ny momba izany ary ny niafarany dia nivoaka ny efitrano ireo mpikamban’ny Filàn-kevitry ny tanàna mpomba ny hetsiky ny Vondron’ny kandidà. Ireo mpomba ny volom-boasary no nijanona teo amin’ny efitrano nandray ny fanapahan-kevitra. Lanin’ny maro an’isa tamin’izy ireo fa tsy homena ny Vondron'ny Kandida, hanaovana ny hetsika fotsy rahampitso, ny kianjan’ny 13 mey. Anton’izany, araka ny voalaza, ny fanahiana fahasimbana mety haterak’izany hetsika izany.

Tsy fampielezan-kevitra

Raha tsiahivina, ny sabotsy 28 oktobra lasa teo ny Vondron’ny Kandida no nanao fanambarana, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, fa hihamafy ny tolona amin’ity herinandro ity. Eo amin’ny kianjan’ny 13 mey no hamaranan’izy ireo izany tolona izany, hoy i Marc Ravalomanana, izay nitondra ny feon’ireo kandida tamin’izany. Nanamarika anefa ny Minisitry ny Fitsarana fa tsy tahaka ireo kandida izay manao fampielezan-kevitra ary manaja ireo fampilazana mialoha any amin’ny manam-pahefana, ny Vondron’ny Kandinda. Tsy nahazoana alalana avy amin’ny manam-pahefana, araka izany, ny hetsika kasain’izy ireo hatao rahampitso.

Lire la suite

Articles Similaires