• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Vatobe eo Ankadilalana : Mitriatra sy mamoaka rano, mampanahy ireo mponina

03/11/2023 15:37 © Moov.Mg

Raha ny fiakaran’ny rano no loza mananontanona ireo mponina eny amin’ny faritra iva, rehefa fotoam-pahavaratra toy izao, dia ahiana kosa ny fihotsahan’ny tany sy ny vatobe, eny amin’ny faritra avo. Vao miandoha ny fahavaratra dia efa atahorana sahady ny vatobe eo Ankadilalana, izay tsikaritr’ireo mponina fa mitriatra sy mivoaka rano.

Hamandoana, hafanana sy rivotra

Efa an-taonany maro no nisy ireo vato voajanahary ireo eny amin’ny toerana avo eto an-drenivohitra. Rehefa nianjadian’ny hamandoana, ny hafanana sy ny rivotra mifanesy anefa ireo vato ireo, nandritra izay fotoana elabe izay, dia mitarika ny fahalovany ka mety hiafara amin’ny fihotsahan’ny tany itoerany, na ilay vato mihitsy no ahitana fahasimbana. Raha ny tsikaritr’ireo mponina izay mipetraka eo ambanin’ilay vatobe eo Ankadilalana dia mihamitriatra izany vato izany ary misy rano mivoaka amin’ireo faritra mitriatra. Ahiana, noho izany, ny mety ho fahavakisany sy ny hianjerany amin’ireo trano miorina eo ambaniny. Mba ho fisorohana ny loza dia efa nampandre ireo manam-pahefana ny mponina ary nametraka taratasy tao amin’ny Lehiben'ny Fokontany, tany amin’ny Kaominina, ny Distrika ary teo anivon'ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC).

Asa haharitra roa herinandro

Natomboka tamin’ny talata lasa teo ny famakiana ny vato, ka miara-misalahy amin’izany ny Sampana Mpamonjy Voina sy ny Vondrona Vonjy Voina (CPC) ary ireo mpamaky vato izay avy amin'ireo mponina eny an-toerana ihany. Iantohan’ny CPC sy ny Mpamonjy Voina ny fiarovana ireo mpamaky vato. Nanatrika ny fiatombohan’ny asa ny Lefitry ny Distrika, ny avy ao amin’ny kaominina, ny lehiben’ny Fokontany Ankadilalana ary teknisiana avy eo anivon’ny BNGRC, izay manara-maso ny fizotry ny asa. Vinavinaina haharitra roa herinandro ny fanatanterahana ity asa fisorohana ny loza ity, ka mandrapaha-azo antoka ny faritra dia nafindra toerana vonjimaika ireo mponina.

Toerana nametrahana saina mena

Manentana ny rehetra ho mailo hatrany ny BNGRC amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, indrindra ireo izay monina amin’ireny toerana nametrahana saina mena ireny. Isan’ireo toerana avo mety hahitana fihotsahana i Tsimialonjafy, Ampamarinana, Ambonin’Ampamarinana, Tsarafaritra, Manjakamiadana, Ambohipotsy, Ambavahadimitafo sy ny faritr’Ambolokandrina Avaratr’Ankatso. Raha azo atao ny miala amin’ireny toerana ireny, hoy ny BNGR, dia izay no tsara indrindra. Tokony hampandre avy hatrany ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ihany koa, raha misy ny tranga mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires