• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tafika Andranomasina
Image
Vaovao

Fanatsarana ny fiarovana ny sisin-tany : Manatrika fihaonam-be iraisam-pirenena ny Tafika an-dranomasina

02/11/2023 15:01 © Moov.Mg

Iray amin’ireo firenena manodidina ny 100 isa mandray anjara amin’ny fihaonam-be iraisam-pirenen'ny « gardes-côtes » andiany fahatelo any Tokyo Japana i Madagasikara. Zava-dehibe ho antsika ny fanatrehana izany, noho i Madagasikara tafiditra ao anaty faritra stratejika fivezivezena, ka maro ireo loza mety hanambana, ao anatin’ny fari-dranomasina.

Fanamafisana fiaraha-miasa

Ny Contre-Amiral TSIRINIAINA Gabriel, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-dranomasina, no mitarika ny delegasiona malagasy manatrika ny fihaonam-be iraisam-pirenen'ny « gardes-côtes » andiany fahatelo, izay tontosaina mandritra ity herinandro ity. Mandritra izany no andinihana ireo fomba azo entina mampivoatra ny fahaiza-manaon’ireo « garde-côtes » rehetra. Fotoana fanararaotana koa izao mba anamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-misalahy amin’ireo mpisehatra an-dranomasina maneran-tany, manoloana ireo ambana maro samihafa amin'ny fandriampahalemana an-dranomasina. Mandritra izao fivoriam-be iraisam-pirenena izao, ankoatra izay, no hametrahana amin'ny fomba ofisialy ny sehatra an’habaka hifampizarana traikefa sy hanomezana fampianarana ampitain-davitra ho an’ireo « gardes-côtes », mikasika ny lafiny fandriampahalemana an-dranomasina.

Sambo mpanara-maso

Manana sisin-dranomasina mirefy 5 000 km i Madagasikara, raha tsiahivina, ka tena zava-dehibe ho antsika ny fanomezana lanja ny fiarovana ny fari-dranomasina. Etsy an-daniny, raha ny antontan’isan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manodidina ny 500 hatramin’ny 700 isa isan’andro ny sambo mandalo amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Ahiana, noho izany, ny hitrangan’ireo karazan-keloka, toy ny ny fitaterana zava-mahadomelina an-tsokosoko, na fanondranana harem-pirenena tsy ara-dalàna, ao anatin’izany fivezivezena maro izany. Misy ny ezaka ataon’ny Fanjakana amin’ny fampitomboana tsikelikely ny isan’ireo sambo mpanara-maso sy mpiaro ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, ka efa manodidina ny 20 isa izany ankehitriny, raha 2 monja taloha. Mizara roa mazava moa ny andraikitry ny Tafika an-dranomasina malagasy, amin’ny fiarovana ny firenena, dia ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Lire la suite

Articles Similaires