• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sariaka Jacobs
Image
Vaovao

Famatsian-drano : Faritra efatra no hisitraka fanamboarana sy fanarenana fotodrafitrasa

02/11/2023 14:50 © Moov.Mg

Tanjona, ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny hisitrahan’ny 60 isan-jaton’ny vahoaka Malagasy rano fisotro madio hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity. Mitohy hatrany ny asa, mba hahatrarana izany tanjona izany, ka Faritra efatra indray no ho voakasiky ny tetikasa momba ny rafitra famatsian-drano.

Mbola fanamby lehibe

Araka ny antontan’isa navoakan’ny fanadihadiana MICS 2018 dia ny 57%-n’ny Malagasy no misitraka rano nohatsaraina eto Madagasikara. Olona 1 amin’ny 4 no mba afaka manasa tanana amin’ny rano sy savony. Tanjona iray tokony hotratrarin’izao tontolo izao, ao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy laharana faha6 (ODD 6) ny hisitrahan’ny rehetra, indrindra ireo sokajin’olona marefo, ny rano fisotro madio, fanadiovana sy ny fidiovana, amin’ny taona 2030. Nandritra ny fankalazana nasionaly ny Andro manerantany ho an’ny fanasana tànana amin’ny rano sy savony, tamin’ny ny 19 oktobra 2023 lasa teo, dia mbola nilaza RAVOKATRA Fidiniavo, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, fa hapetraka ho fanamby lehibe ny ezaka famatsiana rano sy ny fametrahana fotodrafitrasa fidiovana.

Voasokajy ho asa maika

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao tamin’ny talata lasa teo, araka izany, ny hirosoan’ny ministera amin’ny asa fanamboarana, fanamafisana sy ny fanarenana ny rafitra famatsian-drano ao amin’ny faritra Analamanga, Melaky, Alaotra-Mangoro ary Itasy. Ho an’ny Faritra Analamanga dia ao Ambohimangakely, Ambohijanaka ary Ambohimanga Rova no hanaovana ny asa ary tombanana hiisa 3 727.805 ny olona hisitraka tombontsoa amin’izany. Ho an’ny Faritra Melaky dia ao Antsalova no hanatanterahana ny asa ary miisa 66.909 ny olona hisitraka rano fisotro madio. Ny ao Alaotra Mangoro moa dia ao Fierenana Moramanga no hotanterahina izany, ka olona miisa 64.563 no hisitraka azy. Ny Oniversiten’i Soavinandriana kosa no hampidirana rano, ho an’ny Faritra Itasy, ka vinavinaina ho 27.330 ny isan’ny olona ho voakasik’izany. Voasokajy ho asa maika moa izao famatsiana rano fisotro madio ho an’ny Faritra efatra izao.

Lire la suite

Articles Similaires