• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Au Pays De Lando
Image
Vaovao

Rovan’Antsahadinta : May ny tranon-dRabodozafimanjaka, vadin'Andrianampoinimerina

02/11/2023 09:36 © Moov.Mg

Nisy firehetana, omaly alina, tao anaty Rovan'Antsahadinta. Voafehy ny afo, noho ny fifanomezan-tanan’ny fokonolona namono izany. Tsy mbola fantatra kosa ny anton’ny nahatonga ny afo.

Trano hazo mbola fahagasy

Tokotokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany alina tany no nijoalajoala ny afo, tao anatin’ny Rovan’Antsahadinta. Ny ny tranon-dRabodozafimanjaka, vadin'ny mpanjaka Andrianampoinimerina, no nirehitra nandritra izany. Mbola voatazona tamin'ny endriny faha-malagasy, tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-19 io trano io, araka ny fanazavana, izany hoe : irony trano hazo antsoina hoe : tranokotona irony. Tsy tratran’ny afo kosa ireo trano maromaro hafa ao anatin’ity Rova ity. Tahaka izany koa ny fasana, ny kianja ary ny mozea izay teo antsinanan'ity tranon-dRabodozafimanjaka ity. Tamin’ny 9 ora alina mahery tany ho any no maty ny afo, raha ny nambaran’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera.

Voasokajy ho harem-bako-pirenena

Fahavoazana lehibe vaovao indray, ho an’ny tahirim-bakoka malagasy, izao fahamaizan’ny tranon-dRabodozafimanjaka izao. Voasokajy ho harem-bako-pirenena mantsy ny Rovan’Antsahadinta. Eo ambany fitantanan’ny Fikambanan’ny taranaka mo aizy ity, fa tsy ny Minisitera misahana ny Kolontsaina no mikarakara azy. Na izany aza dia fantatra fa tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian, omaly alina, niaraka tamin’ny solombavambahoakan’Antsimondrano, Andry Ratsivahiny, ny Ben’ny tananan'Androhibe Antsahadinta, ary ny tompon'andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana, taorian’ny fidinana ifotony, fa ho hamafisina ny fiambenana ny Rova ary hisy ny fanampiana ny fikambanan'ny fianakaviana amin'ny asa fanarenana ity toerana manan-tantara ity.

Lire la suite

Articles Similaires