• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

Aretina mamany lava : Olan’ny fahasalamam-bahoaka aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana

01/11/2023 06:06 © Moov.Mg

Olan’ny fahasalamam-bahoaka aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ny aretina mamany lava ary mbola iadiana mafy ny famongorana azy

Namelabelatra ny zava-misy aty Afrika, momba ity aretina mety hahazo ny vehivavy ity, ny Dr Cheick Oumar Touré, talem-paritry ny fikambanana tsy miankina IntraHealth international ho an’i Afrika Avaratra sy afovoany, tao anatin’ny dinidinika ampitain-davitra, niarahany tamin’ireo mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny Tambajotran’ireo haino aman-jery afrikanina mampiroborobo ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN).

Olan’ny fahasalamam-bahoaka

Amin’ny ankapobeny, ireo firenena ahitana taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana ambony, sy ahitana tsy fahampian’ny mpiasan’ny fahasalamana ambony ihany koa, no tena betsaka vehivavy tratran’ny aretina mamany lava. Ny momba an’i Mali, izay ahitana trangan’aretina mamany lava 6 ho an’ny mponina 10.000 isa no tena noresahan’ny Dr Cheick Oumar Touré betsaka, saingy tsy dia misy fahasamihafany amin’ny zava-misy any amin’ireo firenena hafa aty Afrika sy aty Madagasikara izany. Nambarany fa olan’ny fahasalamam-bahoaka aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ny aretina mamany lava. Nampahatsiahiviny tamin’izany, fa araka ny antontan’isan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), dia maherin’ny 2 tapitrisa ny isan’ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava maneran-tany, ka ny 90% amin’ireo dia aty Afrika sy ao Atsimon’i Azia no misy azy.

Vokatry ny fahatarana telo

Raha tsiahivina dia vokatry ny fihetsehan-jaza ela loatra, izay mitarika faharovitana ao amin’ny lalan-jaza, ny aretina mamany lava. Voatroson’ilay zaza tsy mety tafavoaka ny hoditra manify kely mampisaraka ny tatavia sy ny fivaviana, ka manjary mamorona lavaka kely, izay lasa mampifandray ny tatavia amin’ny fivaviana. Vokatr’izay dia manjary mikoriana ho azy tsy tana intsony ny fivalanan-drano ary any amin’ny fivaviana no mivoaka, fa tsy any amin’ny lavaka mahazatra. Notsiahivin’ny Dr Cheick Oumar Touré, fa fahatarana 3, amin’ny ankapobeny, no mahatonga ny aretina mamany lava, dia ny fahataran’ny fandraisana fanapahan-kevitra hamonjy toeram-pitsaboana ho an’ny vehivavy hiteraka ; ny fahataran’ny fitaovam-pitaterana mitondra ireo vehivavy manatona tobim-pahasalamana, noho ny halaviran-toerana, ny faharasian-dalana, ny tsy fisiana… ; ny fahataran’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy rehefa tonga eny anivon’ny tobim-pahasalamana, satria tsy ampy ny mpiasan’ny fahasalamana, tsy ampy ny fitaovana sy ny fanafody…

Miteraka voka-dratsy maro

Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia misy 4 000 isa ny trangan’aretina mamany lava voatily isan-taona. Ny fandidiana ihany no fomba tokana ho fanarenana azy, ka raha tsotsotra ny tranga dia manodidina ny 100% ny taham-pahasitranana aorian’ny fandidiana. Raha sarotra kosa ny tranga dia any ho any amin’ny 60% ny taham-pahasitranana ary mety miverimberina miatrika fandidiana ilay vehivavy. Miteraka voka-dratsy maro io aretina io, toy ny fahafatesan’ilay zaza, ny fanilikilihana mahazo an’ilay vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina, ny fisaraham-panambadiana, ny fahasembanana... Isan’ny antony mitarika azy kosa ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy, izay mitondra any amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra, ny tsy fahalalana ary ny tahotra. Misy 13 moa ny hopitaly mandidy ny aretina mamany lava eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires