• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mnp
Image
Vaovao

Doro ala : nisy firehetana tao amin’ny faritra arovana Manombo, any Atsimo Atsinana

01/11/2023 05:39 © Moov.Mg

Velaran-tany mirefy 0.02ha ao anatin’ny faritra arovana Manombo, any amin’ny faritra Atsimo Atsinana, no fantatra fa may, omaly. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo i Madagasikara amin’izao fotoana izao, ka ilaina ny fahamailoana mba hisorohana izany sy ho fandraisana andraikitra avy hatrany, raha sendra misy firehetan’ny faritra arovana toy izao.

Toerana fanatodizan’ny Mpiandrivoditatatra

Ny mponina mipetraka manodidina ny Faritra Arovana Manombo no nanaitra ny tomponadraikitra, ny amin’ny fisian’ny firehetana tao Marompanahy, tanàna ao anatin’io Valanjavaboary. Araka ny vaovao azo dia afo vokatry ny fangalana tantely no niitatra, ka nahatonga izany fahamaizana izany. Maty ihany ny afo, rehefa rehefa nifandrimbonan’ny fokonolona ny namono azy, saingy tombanana ho 0.02ha, na izany aza, ny faritra ravan’ny fahamaizana. Tsy ahiana intsony kosa ny mbola hiverenan’ny afo ary fantatra fa efa mandray ny fepetra rehetra ny tompon’andraikitra any an-toerana, ho fisorohana sy hitandrovana ireo harena voajanahary tsy ho potiky ny afo, tahaka izao.. Isan’ireo toerana fanatodizan’ny Mpiandrivoditatatra (Heron Crabier na Arleodia Idea) moa ny Tahirinjavaboaharin’i Manombo. Karazana vorona ahiana ho lany tamingana izy io.

Hanjavona tanteraka ny ala amin’ny 2050

Araka ny nambaran’ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo manan’aina eto Madagasikara (FAPBM), dia mety hanjavona tanteraka ny ala rehetra eto Madagasikara amin’ny taona 2050, raha ny zava-misy amin’izao no mitohy. Faritr’ala mirefy 99.000 ha isan-taona no potika, noho ny antony maro samy hafa, fa indrindra noho ny doro ala sy ny doro tanety. Raha ny fanentanana nataon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy, hatramin’ny niantombohan’ny vanim-potoanan’ny afo eto amintsika, dia manana andraikitra ny tsirairay amin'ny fiarovana ireo harena voajanahary tsy ho levon'ny afo. Azon’ny olom-pirenena rehetra atao ny miantso ny laharana maitso 955, raha mahatsikaritra firehetana, mba hahafahana mandray fepetra haingana amin'ny famonoana ny afo. Raha ny lalàna velona misy eto amintsika dia mety hahazoana sazy an-terivozona 10 hatramin'ny 20 taona ny fandoroana ny ala ao anaty faritra arovana.

Lire la suite

Articles Similaires