• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Angovo : nitombo 497 Mwh ny famokarana herinaratra eto Madagasikara tato anatin’ny 3 taona

01/11/2023 05:30 © Moov.Mg

Heverina fa hitombo 2 tapitrisa ny olona hisitraka ny herinaratra eto Madagasikara.

Vinavinaina hampiakatra 10% ny famokarana herinaratra eto Madagasikara ny tetikasa rehetra efa vita sy andalam-panatanterahana eo anivon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ankehitriny.

Angovo avy amin’ny masoandro, rano ary milina

Araka io jery todika io dia nitombo 497 Mwh ny famokarana herinaratra eto Madagasikara tato anatin’ny 3 taona, raha atambatra ny herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano ary koa ny angovo avy amin’ny milina. Raha tsinjaraina izy io dia mitotaly 130 Mwh ny angovo azo avy amin’ny masoandro ; 250 Mwh ny angovo azo avy amin’ny rano, ka ny 65 Mwh no efa vita ary eo an-dalam-panatanterahana ny 185 Mwh. Nisy Ny 12Mwh ihany koa ny totalin’ny famatsiana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanàna 214 sy mponina 5 hetsy sy 1 tapitrisa no nahazo tombontsoa tamin’izany. Raha ny momba ny angovo azo avy amin’ny solika mavesatra dia 105 Mwh no eo andalam-panatanterahana eny Ambohimanambola, araka ny tatitra nataon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

Asa fanitarana ny fizarana herinaratra

Raha ny nambaran’ny minisitra Andriamanampisoa Soloniaina Rasamoelina, dia efa natomboka tamin’ny fomba ofisialy, 3 herinandro lasa izay, ny asa fanitarana ny fizarana herinaratra sy fanatsarana izany, ka distrika maromaro ao anatin’ny Faritra 24 eto Madagasikara no misitraka izany. Nahazoana famatsiam-bola mitentina 275 miliara Ar avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izany tetikasa izany. Isan’ny asa atao ny fametrahana andrin-jiro vita amin’ny « béton » miisa 3 4 500. Hisy ihany koa ny fametrahana zotram-pamatsiana vaovao, izay mirefy 1600 km eo ho eo. Ankoatra izay dia vata mpanova herinaratra (transformateurs) 115 isa vaovao ihany koa no hapetraka. Eo amin’izay fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay hatrany dia efa miroso amin’ny famolavolana ny tolo-bidy amin’ny volana novambra, momba ny tetikasa 27 MW, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ankehitriny. Hotsinjaraina amin’ny distrika 32 misy orinasa Jirama, any amin’ny Faritra 24, izany tetikasa izany.

Fananganana foto-drafitrasa

Mbola maro, ankoatra izay ireo tetikasa efa natomboka sy eo an-dalam-panatanterahana na an-dalam-pamolavolana, toy ny fananganana foto-drafitrasa, izay hamokatra 64 Mwh ho an’ny Jirama ao Ranomafana, efa nahazoana famatsiam-bola tamin’ny banky sinoa, izay mitotaly 240 tapitrisa dôlara. Any Volobe, araka ny tatitra hatrany, dia eo an-dalam-pamaranana ny famaritana ny famatsiambola miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka, ka hamokatra 120 MW izany tetikasa izany. Misy ihany koa ny antsoina hoe : « Autoroute de l’énergie », izay tambazotra mirefy 280 km, hiainga any Toamasina ary hitondra herinaratra avo hatraty Antanananarivo. Ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana no mamatsy vola izany.

Lire la suite

Articles Similaires