• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ortm.Jpg
Image
Vaovao

Fanavaozana ny rafi-pampianarana : Mbola misy fanatsarana tokony atao, hoy ny talen’ny fanabeazana katôlika

30/10/2023 21:02 © Moov.Mg

Saika miombon-kevitra avokoa ny rehetra fa mila fanavaozana sy fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny rafi-pampianarana. Efa lany teny anivon’ny parlemanta roa tonta rahateo ny lalàna mifehy ny rafi-pampianarana vaovao eto Madagasikara, fa mbola miandry ny didy fampiharana izany ankehitriny. Ho an’ny fanabeazana katôlika manokana dia mbola tsy tomombana tanteraka ny firosoana amin’izany.

Tsy ampy fifampidinihana

Isan’ny teboka misongadina ao anatin’ny Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara, laharana faha-009/2022, tamin’ny 15 jona 2022, ny momba ny teny ho enti-mampianatra. Eo ihany koa ny fanampiana ny isan’ny kilasy tsy maintsy dinganina, ho an’ny ambaratoga voalohany, ka tsy maintsy mandalo kilasy garabola aloha ny zaza madinika. Hifarana eo amin’ny kilasy T6 moa ny ambaratonga fototra, ao anatin’izany fanavaozana izany. Maro amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny Fanjakana no efa naneho ny tsy fahafaham-pony amin’ity fanovàna ny rafi-pampianarana ity, izay nambaran’izy ireo fa tsy ampy fifampidinihana. Isan’ny mametraka olana, ohatra, ny tsy fahafahana mampiasa teny vahiny any amin’ny akany fibeazana. Mahatsapa anefa ireo tomponandraikitra sasany fa dieny mbola kely dia efa tsara zarina amin’ny tenim-pirenena vahiny ny ankizy, miaraka amin’ny teny malagasy. Olana ihany koa ny momba ny efitranon-tsekoly, satria hatramin’izay dia nifarana teo amin’ny kilasy T5 ny ambaratonga fototra, ka tsy maintsy mbola hitady vahaolana momba izany ireo sekoly.

Misy tsy fahatomombanana

Nandritra ny fanokafana ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, ho an’ireo sekoly katôlika eto amin’ny diosezin’Antananarivo, notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo, dia nanipy teny momba io fanavaozana ny rafi-pampianarana io ny mompera Jules Ranaivoson, sekretera jeneralin’ny vaomieran’ny eveka misahana ny fampianarana sy ny fanabeazana katôlika, sady tale nasionalin’ny fanabeazana katolika (DINEC). Nambarany tamin’izany, fa mbola tsy tomombana tanteraka ny firosoana amin’ny fanavaozana ny rafi-pampianarana, satria mbola maro ireo fanamarihana avy amin’ny sekoly katôlika, mba ho fanatsarana kokoa. Rehefa tanteraka kosa izany fanatsarana izany dia tsy maintsy hisy ny toromarika homen’ny foiben’ny fanabeazana katôlika eto Madagasikara ho an’ny sekoly rehetra. Fa hatreto aloha, araka ny nivoitra nandritra ny filàn-kevi-pirenena momba ny fanabeazana katôlika, natao tany amin’ny diosezin’Ambanja, dia ny fanasongadinana ny maha-izy azy ny sekoly katôlika no tena ilofosana.

Lire la suite

Articles Similaires