• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Harisolofo Rakotondrabe
Image
Vaovao

Fifidianana : Tsy afaka mitsabaka amin’ny fahefan’ny CENI ny governemanta, hoy Ramaho­limasy Pierre Holder

30/10/2023 20:57 © Moov.Mg

Tsy hanova na inona na inona amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny fanovana ny governemanta, hoy Ramaho­limasy Pierre Holder, minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, satria mahaleo tena tanteraka ny amin’izany ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), fa tsy itsabahan’ny governemanta izany. Anjaran’ity farany kosa anefa ny mitady ny vola hahafahan’ny CENI manatontosa ny andraikiny, araka ny fanazavany.

Mitady vola ho entin’ny CENI miasa

Eo am-pelatanan’ny CENI tanteraka ny fahefana rehetra momba ny fikarakarana ny fifidianana sy ireo tomponandraikitra rehetra misahana ny fifidianana, manomboka hatrany amin’ny tampony hatrany amin’ny Fokontany, hoy Ramaho­limasy Pierre Holder. Tsy manana fahefana amin’izany, na kely aza, ny governemanta. Fahadisoana ny fiheverana fa rehefa hovaina ny governemanta dia hisy fiantraikany amin’ny fikarakarana ny fidianana izany, satria tsy misy mpikambana ao amin’ny governemanta afaka mibaiko ny CENI momba izany fifidianana izany, hoy hatrany izy. Ny mitady ny vola ho entin’ny CENI miasa kosa dia tena anjara andraikitry ny governemanta. Izany no antony nandraisan’ny filàn-kevitry ny minisitra natao ny 24 oktobra lasa teo, ny didim-panjakana famindrana sora-bola fanampiny avy ao amin'ny Ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ho amin'ny tetibola taona 2023, izay nomena ny CENI. Vola 3 947 190 000 Ariary izy io, raha tsiahivina, ho fanampiana ny hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena.

Ho fisorohana ny hala-bato

Notsiahivin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, fa hatramin’ny repoblika fahatelo dia ny governemanta hatrany no nikarakara ny fifidianana, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny ati-tany. Niteraka adihevitra anefa ny fikarakaran’ny ministeran’ny ati-tany ny fifidianana, satria, betsaka ny hala-bato, hoy izy. Tamin’ny taona 2010, noho izany, raha novolavolaina ny fehezan-dalàna momba ny fifidianana, dia notsoahina tamin’io ministera io ny fikarakarana ny fifidianana. Eo ambany fahefan’ny governemanta mantsy ny ministeran’ny ati-tany, eo ambany fahefan’ny filoha am-perin’asa kosa ny governemanta, ka mety hitongilana any amin’io filoha io ilay ministera eo ambany fahefany, raha toa mbola hilatsaka hofidiana izy. Napetraka tao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianaa vaovao, nanomboka teo, ny fananganana rafitra mahaleo tena, tsy miankina amn’ny governemanta. Io Vaomieram-pirenena mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI) misy ankehitriny io izany.

Lire la suite

Articles Similaires