• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Baomiavotse Raharinirina
Image
Vaovao

Foko Mikea : Nanatrika ny kongresy momba ny fiarovana ireo mponina tompon-tany

30/10/2023 20:36 © Moov.Mg

Voalohany teo amin’ny tantara, araka ny fantatra, no nisy Malagasy avy amin’ny foko Mikea nivoaka tany an-dafin’ny riaka, indrindra fa ny hidinika ny momba ny ho aviny, miaraka amin’ireo foko marobe eran-tany tsy mbola manana ny toerany, no anton-diany.

Fiarovana ireo mponina tompon-tany

Notanterahina tany Windhoek, any Namibie, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny kongresy momba ny fiarovana ireo mponina tompon-tany (peuples autochtones) sy ireo vondron’olona ifotony aty Afrika. Isan’ireo voaasa hanatrika izany ny avy amin’ny foko « Bushmen », izay foko isan’ny tranainy indrindra aty amin’ny farita atsimon’i Afrika, ny avy amin’ny foko « Pygmées » ihany koa ary ny Mikea, izay tsy tafiditra ao anatin’ireo foko 18 be mpahalala eto Madagasikara. Niisa roa izy ireo no solon-tena nanatrika izany kongresy izany, dia i Tsivahora, mpitondra tenin’ny fikambanana Mikea Forest, sy i Emmanuelle vadiny, izay mpampianatra. Voalohany tamin’ny fiainan’izy ireo, araka ny fantatra no nivoahany ny faritra fonenany. Manantena izy ireo fa izao fivoahany an’i Madagasikra izao, dia hanampy betsaka ny fahafantarana ny foko Mikea sy hanomezan’ny Fanjakana malagasy ny toerana tokony hisy azy ny foko Mikea.

Famerenana ny hasin’ireo Mikea

Nandritra ny taona maro ireo Mikea no niaina fanilikilihana. Nisafidy ny honina any anaty ala, any Atsimo Andrefan’i Madagasikara izy ireo, toerana izay makina sy tsy ampy rano. Mihena miandalana anefa ankehitriny ny toeram-ponenan’izy ireo, noho ny fizahan-tany tsy voafehy, ny fambolena izay miitatra mankany amin’ny ala, izay mifandray ihany koa amin’ny doro ala. An’arivony ny mponina mandrafitra ny foko Mikea, saingy tsy misy afa-tsy 5 sisa izy ireo no mpihaza sady mpioty. Isan’ny miezaka mamerina ny hasin’ireo Mikea i Jean-Claude Vinson, malagasy sady tera-tany avy atsy La Réunion. Mpanoratra izy ary filohan’ny fikambanana Mikea Forest. Izy no nandray ny fanasana avy amin’ny fikambanana amerikanina Right and Resources, izay mampiroborobo ny zon’ireo mponina tompon-tany, mba hisitraka ny ala sy ireo harena voajanahary hafa izy ireo, hahafahan’izy ireo mivelona sy miaina. Ireo foko aty Afrika, araka izany, no navondron’ity fikambanana iraisam-pirenena ity, ka niara-nidinika ny momba ny olana atrehin’izy ireo eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana sy ara-politika.

Mianatra any an-tsekoly sy ny fiainana an’ala

Amin’izao fotoana izao moa dia miezaka mivoatra ireo Mikea. Nananganan’i Jean-Claude Vinson sekoly, nampitondrainy ny anarana hoe : Anaïs Vinson ny ankizy. Manomboka ny alatsinainy hatramin’ny alakamisy izy ireo dia mianatra ireo taranja mahazatra ny mpianatra malagasy rehetra. Rehefa zoma kosa izy ireo dia mandeha miaraka amin’ny mpampianatra Mikea mankany an’ala, mianatra ireo rehetra tokony ho fantatr’ireo rehetra taranak’ity foko ity, toy ny famantarana ny biby, arakaraky ny dian-tongotra navelany. Tamin’ny taona 2018 moa dia nisy manam-pahaizana arkeôlôgy nahita fa efa nisy mponina teto Madagasikara, tany amin’ny 10 000 taona lasa tany. Mpihaza sady mpioty izy ireo ary heverina fa ny Mikea no taranany.

Lire la suite

Articles Similaires