• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 23 hatramin'ny 29 oktobra 2023

30/10/2023 05:16 © Moov.Mg

Atolotra anao ireo vaovao nisongadina ny 23 hatramin'ny 29 oktobra 2023

Koa satria ao anaty fanomanana ny fifidianana tanteraka isika, ny raharaha politika hatrany no tena mafana eto amin'ny firenena. Tsy adino kosa nefa ireo vaovao ara-tsosialy sy ara-panatanjahan-tena.

Gal Richard Ravalomanana # Mitantana ny firenena

Natolotra ny filohan'ny antenimierandoholona vaovao, ny Jeneraly Richard Ravalomanana, ny fitantanana vonjimaika ny firenena Malagasy. Ampahatsiahivina fa ny 18 oktobra lasa teo izy no nandefa taratasy tany amin'ny HCC fa afaka mandray fahefana soa aman-tsara. Ny 27 oktobra lasa teo no nivoaka ny didy fa atolotra azy ny fahefana.

Andry Rajoelina # Manohy ny fampielezan-kevitra

Efa manana programa maty paika ny amin'ny fitetezam-paritra ataony ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina. Nanamarika manokana iny herinandro iny ny namoriany vahoaka teny Itaosy sy Tanjombato. Tamin'izany indrindra no nampanantenany fanampiana ara-bola ho an'ireo fianakaviana sahirana, raha tafaverina eo amin'ny fitondrana ny tenany. Nitsidika faritra maro ihany koa ny tenany : Betroka, Toliara, Ihosy, Sakaraha, Moramanga, sns.

Daniela Raderanirina # Tsy henoheno firy

I Daniela Raderanirina no kandida faharoa niroso tamin'ny fampielezan-kevitra. Nametraka afisy teny amin'ireo "panneaux officiels" mihitsy moa ny tenany, manerana an'Antananarivo. Nihazo ny faritra niaviany ihany koa ny tenany nanombohana ny fampielezan-kevitra. Tamin'iny herinandro iny dia tsy nahenoana feo intsony mikasika azy tamin'ny haino aman-jery. Misy ihany kosa nefa ny fanentanana nataony tamin'ny tambazotran-tserasera.

Collectif des candidats # Hidina eny amin'ny 13 mai

Ny alatsinainy 30 oktobra no kasain'ny Collectif des candidats hidinana eny amin'ny kianjan'ny 13 mai. Izany moa no tapaka nandritra ny famoriam-bahoaka teny Antsonjombe, ny sabotsy 28 oktobra lasa teo. Marihana fa 10 sisa ireo mpikambana ao amin'ny fivondronan'ny kandida. Tsy mandray anjara amin'ny hetsika intsony ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko.

27 oktobra # Androm-pirenena ho an’ny varika

Tany amin’ny faritra arovana Maromizaha, any Andasibe, no nanamarihana ny « Androm-pirenena ho an’ny varika » tamin'ity taona 2023 ity. Manodidina ny 112 isa ny karazana varika hita eto Madagasikara, ka ny 12 amin'ireo dia hita ao Maromizaha. Ahiana mafy ho lany tamingana ny 90%-n’ireo karazana varika misy eto amintsika.

Basket # Championnat N1A

Nifarana ny alahady 29 oktobra ny Championnat N1A taranja basket, teny tamin'ny Palais des Sports Mahamasina. Ny GNBC Analamanga no nibata ny amboara ho an'ny Sokajy lehilahy. Ny MB2ALL kosa no laharana voalohany ho an'ny Sokajy vehivavy. Nisy ihany koa ny fanolorana fampitaovana ho an'ny ligim-paritra Atsinanana izay notontosain'ny FMBB.

Hain-trano # Trano 2 kila forehitra

Nitrangana hain-trano teny Mahamasina sy Alasora ny herinandro teo. Noho izany indrindra dia nanatanteraka fanentanana ireo mpamonjy voina. "Mila mandray fepetra fahamalinana ny rehetra, mialohan’ny hivoahana ny trano. Ireo herinaratra sy ny fototr’angovo rehetra dia mila amarinina avokoa, hoy ny lehiben'ny sampana mpamonjy voina : jerena raha tena maty daholo ny jiro, raha tsy misy afo mirehitra intsony…"

Ampandrana # May ny Pho Resto

Ny zoma hifoha sabotsy no may ny Pho Resto Ampandrana. Ny lakozia moa no nirehitra ka potika avokoa ny entana rehetra tao. Mbola mitohy ny fanadihadihana hahafantarana izay tena niandohan'ny afo. Mihidy mandritra ny fotoana tsy voafetra aloha izany toeram-pisakafoanana izany.

CEDS # 20 taona

Ny zoma lasa teo no nanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Centre d'Etudes Diplomatiques et Stratégiques (CEDS). Tamin'io andro io ihany koa ny namoahana ny andiany faha-19 tamin'ireo mpianatra. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo teny amin'ny Carlton Anosy moa ny fotoana.

Lire la suite

Articles Similaires