• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tonelina Ambohidahy : Efa-dahy mitam-basy nanafika taxi-be

28/10/2023 13:49 © Midi Madagasikara

Ny iray naka ny vola rehetra tany amin’ny resevera. Ny ambiny nitety ny mpandeha rehetra ary nitango izay azo nalaina : paoketra, finday, vola sns.

Ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany no nitrangan’izany tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana ao anaty tonelina etsy Ambohidahy. Niditra tao anaty taxi-be zotra 165 ireo jiolahy. Nanambana basy avy hatrany ary dia nazava tamin’olona ny tanjon’izy ireo. Lehilahy iray no nanohitra ary dia niharan’ny daroka sy ny vely vodibasy ka naratra. Tsy nisy afa-nanohitra intsony ary dia nanaiky izay notenenin’ny jiolahy sisa. Mbola tsy fandriampahalemana ihany, nisy vehivavy voaendaka koa teo Analakely, mbola iny andron’iny ihany.

Very ny pasipaoro, very koa ny vola vahiny (euro) izay mba saika entina any an-dafy. Nivaloharika tanteraka ilay tovovavy satria na ny fandehanany any ivelany aza dia mety ho nijanona noho ny fahaverezan’ny taratasy. Soa fa mba nanana dika mitovy izy ary mety mba hanamora ny fanamarinany ny fahaverezana ka hanomezana azy indray pasipaoro vaovao. Nandefa antso izy ny mba hanampian’izay mety mahita izany ka hiantso azy. Izany no adin-tsain’ny olona eto an-drenivohitra ankehitriny raha vao mivoaka ny trano na koa hody. Mety azo eritreretina ve ny fampandrosoana ao anatin’ny tsy filaminan-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires