• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Blue Ventures
Image
Vaovao

Varika : Nomena lanja manokana tany Maromizaha Andasibe

27/10/2023 19:08 © Moov.Mg

Isaky ny zoma faran’ny volana oktobra no natokana ho « Androm-pirenena ho an’ny varika » izay biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Androany zoma 27 oktobra, araka izany, no nankalazana ny andiany faha-10 amin’ity androm-pirenena ity, ho an’ny taona 2023. Tany amin’ny faritra arovana Maromizaha, any Andasibe no nanatanterahana izany.

Ahiana ho lany tamingana, noho ny tsindry maro

Manodidina ny 112 isa ny karazana varika hita eto Madagasikara. Ny 12 isa amin’ireo no azo jerena ao Maromizaha, dia ny babakoto, ny Aye aye, ny varikandrana, ny varika mena, ny varika mavo, ny simpona, ny fotsy fe, ny tsidy, ny tsidy ala, ny tsitsihy, ny tranga lavaka ary ny bokombolo. Ahiana mafy ho lany tamingana ny 90%-n’ireo karazana varika misy eto amintsika, noho ireo tsindry maro mihatra aminy, toy ny fihazana sy fihinanana azy, ny fanjavonan’ny trano fonenany vokatry ny doro ala sy ny fiitaran’ny toeram-ponenan’ny olombelona… Isan’ny antony nisafidianana ny lohahevitra nanamarihana ny Andron’ny Varika ho an’ity taona ity izany, dia ny hoe : « Ny varika : Lova sarobidy sy tsy manam-paharoa, ’Ndao hiara-hientana isika hiaro azy ireo ».

Mahavoasazy, lamandy sy tranomaizina

Voasokajy ao anatin’ny biby arovana indrindra eto Madagasikara (Catégorie I, Classe I) ny Varika, izany hoe : tafiditra ao anatin’ny tovana voalohan’ny CITES, izay fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena amin'ny karazam-biby sy zava-maniry. Voararan’ny Lalàna velona misy eto amintsika rahateo ny fihazana, ny fiompiana, ny fivarotana ary ny fihinanana ity karazana biby ity. Araka ny lalàna 200018 tamin’ny 17 oktobra 2005 dia tsy azo atao ny mihaza, misambotra, mitazona, mivarotra, na manondrana karazam-biby sy zavamaniry an’ala izay ahiana ho lany tamingana. Ny tsy fanarahana izany lalàna izany dia mahavoasazy higadra an-tranomaizina hatramin’ny 2 taona miampy lamandy 10 000 000Ar hatramin’ny 50 000 000 Ar.

Hampiantrano kongresy iraisam-pirenena

Amin’izao androm-pirenena ho an’ny varika izao, izay antsoina koa hoe : « dihin’ny varika », na « fetin’ny varika », dia nampita hafatra ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, manam-pahaizana manokana momba ny varika. Nanentana ny rehetra mba hanova fihetsika izy, manoloana ny tsindry mihatra amin’ny varika, ka mba tsy hijanona ho fombafomba fotsiny ny andro fankalazana toy izao. Tsy manana vakoka lehibe toy ny any amin’ny firenena hafa i Madagasikara, fa ny varika, hoy izy, no mampiavaka antsika malagasy sy antony hahatongavan’ny mpizahatany eto amintsika. Nampahatsiahiviny ihany koa fa hampiantrano ny kongresin’ny « International primatological society » (IPS) i Madagasikara amin’ny 2025, ka tsy tokony handraraka ilo mby an-doha isika, fa hanao ny ezaka rehetra iarovana ny varika.

Lire la suite

Articles Similaires