• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Distrikan’Ampanihy : Lehilahy sy vehivavy tratra niaraka tamin’ny sokatra sy kitozan-tsokatra

27/10/2023 18:59 © Moov.Mg

Olona roa no voasambotry ny zandary ao amin’ny borigadi’i Ejeda, any amin’ny distrikan’Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, tamin’ny alarobia lasa teo, tratra nitondra sokatra velona sy efa navadika ho kitoza. Ilay karazany antsoina hoe : sokatra radiata na sokake ireto tratra ireto.

Atao sakafo sy amidy velona

Vaovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahatrarana ireto olona ireto, tao amin'ny tanànan'i Betaratse, kaominina Fotadrevo, 60 km miala an’i Ejeda ireo. Vehivavy ny iray amin’izy ireo ary ary lehilahy ny iray, izay nitondra sokatra miisa 60 mbola velona ary sokatra efa vita kitoza miisa 89. Nitondra fitaovana tahaka ny vilany, vilia, sy famaky ihany ko aizy ireo, izay efa azo anaporofoana fa avy anaty ala lavitra no nakana ireto sokatra ireto ary andro maromaro no lanin’ireto olona ireto namoriana azy ireo. Araka ny fantatra moa dia tany amin’ny fokontany Kilibory, kaominina ambanivohitra Androka, distrikan’Ampanihy no nangalana ireo sokatra, izay nokasaina hoentina amin'ny fokontany Mitsinjo, kaominina Soaseragna, distrikan’i Betioky Atsimo. Lalana manodidina ny 250 km no saika hitondrana azy ireo, araka izany, ary hatao dia an-tongotra mandritra ny 4 andro eo ho eo.

Atahorana ho ringana tanteraka

Niara-nisalahy tamin’ny Madagascar National Parks ao Tsimanampesotse ny zandarimariam-pirenena, tao anatin’izao hetsika famongorana ny mpanimba ny harem-pirenena izao. Fantatra fa saika hatao sakafo sy hamidy velona ireo sokatra ireo. Ho averina any anaty ala izy ireo, aorian’ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana azy ireo mandritra ny 40 andro (Mise en quarantaine), izay hataon’ny Madagascar National Parks. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ireo olona tratra, mandrapitondrana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ampanihy. Raha tsiahivina, ny lalàna CITES, na ihany koa ny lalàna 2005-018, dia manasokajy ny sokatra ao anatin’ilay atao hoe : Annexe II, na biby atahorana ho ringana tanteraka raha tsy misy fanaraha-maso, fifehezana ary lalàna manokana ny amin’ny fikirakirana azy. Noho izany dia voarara ny manondrana, ny mivarotra, ny mihaza, ny mihinana ary ny mitazona sy miompy sokatra.

Lire la suite

Articles Similaires