• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Image
Vaovao

Loza voajanahary : Nodinihina ny momba ny hain-trano sy ny fiovaovan’ny toetr’andro

27/10/2023 18:56 © Moov.Mg

Efa miomana amin’ny fepetra sy paik’ady rehetra hiatrehana ny loza voajanahary sy izay mety ho fiantraikany ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (BNGRC). Nanatanteraka fivoriana mikasika izany, omaly, ny komity ivondronan’ireo mpisehatra rehetra voakasik’izany.

Napetraka ny tanjona hiadiana amin’ny afo

Ny momba ny hain-trano, izay loza mateti-pitranga tao ho ao, no noresahan’ny komity ivondronan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fitantanana ny loza (CRIC) teo anivon’ny CNCOU (Centre National de Coordination des Opérations d’Urgence) teny amin’ny BNGRC Antanimora. Nodinihina nandritra izany ny tatitra mikasika ny hain-trano nisy teto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 2017 hatramin’ity taona 2023 ity. Nofakafakain’ireo teknisianina ireo antony rehetra mety mitarika ny loza ; napetraka ny tanjona hiadiana amin’ny afo ary nofaritana ireo karazana asa hatao hiatrehana izany.

Tondra-drano sy hain-tany

Taorian’izay dia nisy ny fizarana sy fanazavana nomen’ny foibe famantarana ny toetr’andro, mikasika ny mety ho endriky ny toetry ny andro eto Madagasikara, ho an’ny taona 2024. Fantatra, nandritra izany, fa mety hahazo rotsak’orana betsaka ny faritra Avaratra sy ny ilany Atsinanan’ny Nosy. Mety hiteraka tondra-drano ny amin’ireo faritra iva izany tranga izany. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny amin’ny faritra Atsimo sy Andrefana, satria vinavinaina ho maina ny andro ka tsy ho ampy ny rotsak’orana. Ahiana hiteraka hain-tany any amin’ireo Faritra ireo izany. Nilaza moa ny BNGRC fa hijery akaiky ny amin’ny fiomanana momba izany, indrindra ireo faritra efatra voalaza etsy ambony, ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny taona 2024.

Fifehezana ny hamehana

Tonga nanatrika ity fivorian’ny komity ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny loza ity ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Valéry Ramonjavelo ; ny tale jeneralin'ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja ary ny Sekretera mpanatanteraky ny Sampana mitantana ny fifehezana ny hamehana (CPGU), ny Jeneraly RAZAKANAIVO Mamy ary ireo mpikambana ao anatin’ny CRIC. Nohamafisin’izy ireo fa ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza, dia efa miomana amin’izay tokony hatao rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny fitrangan’ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires